Tranga

Vondrona Sodiat : Nahatratra 25 ireo fiara nogiazan’ny fanjakana

Nahatratra 25 ireo fiaran’ ny vondrona Sodiat, nogiazan’ny fanjakana, raha ny tatitra ofisialy navoakan’izy ireo, omaly. Nalain’ny mpitandro filaminana nandritra ny fo­toam-pisavana teo anelane­lan’ny volana novambra sy desambra 2025 avokoa ireo rehetra ireo. Araka ny loharanom-baovao azon’izy ireo hatrany, tsy nogiazana ary tsy notahirizina, araka ny lalàna ny sasany tamin’ireo […]

Tsaramasay : Trano narodan’ny mpamonjy voina

Voatery narodan’ny sampana mpamonjy voina ny trano lehibe iray misy rihana tetsy Tsaramasay, boriboritany fahatelo, omaly. Nahitan’ny manodidina fahasimbana toy ny triatra sy efa antitra io trano lehibe io. Tokantrano maromaro miorina manodidina azy ka voatery nandray fepetra hisoro­hana ny voina tampoka ny tomponandraikitra. Nanangon-tsonia ireo mponina manodidina mba hanatanterahana […]

Tsy fitandreman’ny mpamily : Olona iray maty, 18 naratra mafy

Potika tanteraka ny fiara vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily, araka ny tatitry ny zandarimaria sy ny nanatri-maso. Tovovavy iray namoy ny ainy, olona 18 naratra nentina namonjy toeram-pitsaboana. Namoy ny ainy ny tovovavy iray tamin’ireo mpandeha am-polony tao anatin’ny taxi-borosy niharan-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra tao Man­garivotra, fokontany Mora­­fe­no, distrikan’Ankazobe, […]

Vohemar : Vehivavy notsatohan-drafiny antsy

Naratra voatsatoka antsy ny vehivavy iray nandritra ny fifampikasihan-tanana teo aminy sy ny rafiny, tao Ambaton­drazaka, fokontany Antanamiketraka, any Antsirabe Avara­tra, distrikan’i Vohemar, ny 2 janoary teo. Nifamaly io vehivavy io sy ny vehivavy vadin’ny lehilahy iray. Samy sakaizan-drangahy izy roa vavy ireo ary samy niterahany iray avy. Tsy mifanalavitra […]