Mpanao sinto-mahery, fanendahana sy fandrobana mampiasa fitaovam-piadiana miisa 20 lahy nosamborin’ny polisy tao Mahajanga, nandritra ny faran’ny taona sy ny 1 janoary lasa teo. Nanao fisafoana alina sy nanamara-maso ny filaminan’ny tanàna ireo polisy miasa eo anivon’ny kaomisaria Central ao an-toerana. Nivezivezy tamin’ireo toerana hifamezivezen’ny mpiala sasatra sy mahavory olona […]
Tranga
Ambatoroka : Lehilahy 26 taona maty notsatohan’ny namany antsy
Lehilahy 26 taona maty notsatohan’ny namany antsy, tetsy Ambatoroka, ny 4 janoary, tamin’ny 3 ora hariva. Nahitana dian’antsy roa teo amin’ny fony, izay nitarika azy tamin’ny fahafatesany. Hitan’ny olona nifamaly tao amin’ny tsena fivarotana zava-pisotro iray io lehilahy namoy ny ainy io sy ny namany iray hafa tamin’io fotoana io. […]
4×4 tra-doza : Mpivady niara-namoy ny ainy
Nifapisokirana tao anatin’ny fiara tsy mataho-dalana nitondra azy ny mpivady tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, tao amin’ny distrikan’Antanifotsy, ny sabotsy 3 janaory teo. Fiara tsy mataho-dalana iray miloko mainty izay nitondra ny fianakaviana kelin’izy mivady ireo. Ankizy ny telo ary izy mivady, araka ny loharanom-baovao. Potika tanteraka ilay fiara tsy […]
Tanambao V-Toamasina : Maty novonoim-badiny ilay ramatoa
Namoy ny ainy novonoin’ny raim-pianakaviana iray ny renin-janany tao amin’ny fokontany Tanambao fahadimy parisela 13/35, kaominina Toamasina, ny marain’ny 2 janoary. Raha ny angom-baovao, tonga namangy azy vao maraina tao amin’ny tranon-dRamatoa ity rangahy ity. Nikasa hiarahaba tratry ny taona amin’io vady teo aloha sady renin-janany io ilay rangahy na […]
Natsingevan’ny ranon’i Sisaony : Ankizivavy 14 taona iray hita faty
Nisasa amoron-drano kinanjo nisolifatra tampoka tanaty rano ny ankizivavy iray teny Ampitatafika. Sepotra izy ka namoy ny ainy. Hita faty natsingevan’ny ranon’i Sisaony, tetsy amin’ny Vosary, fokontany Ambodiafontsy, kaominina ambanivohitra Ampitatafika, ny sabotsy 3 desambra, tamin’ny 12 ora sy sasany atoandro, ny ankizivavy iray 14 taona. Nampandrenesin’ny fokonolona nikasika ny […]




