Nongotan’ny olon-dratsy ny karakara vy “grille de protection” tamin’ny varavarankely, norobain’ny jiolahy nitondra basy ny tokantrano iray, tao Ambohidratrimo. Lasa ny volabe an-tapitrisany. Nampiasa tohatoha-kazo, nanongotra ny fiarovana teo amin’ny varavarankely tamin’ny alalan’ny “barre à mine” ny andian-jiolahy nitam-piadiana tao amin’ny fokontany Ambohitsiroa, kaominina Ambohidratrimo, ny alin’ny alakamisy 15 mey […]
Tranga
Lozam-pifamoivoizana tetsy Itaosy: Nalefa eny Antanimora ilay mpilalao sarimihetsika
Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, omaly, ny raharaha nahavoasaringotra mpilalao sarimihetsika iray. Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora izy taorian’ny fivoahan’ny didy. Voarohirohy tamin’ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona tetsy Bemasoandro Itaosy, ny alin’ny sabotsy lasa teo, tamin’ny 11 ora, izy. Tsiahivina, nitondra fiara marika Mercedes-Benz CLK izy tamin’io fotoana […]
Fanina tampoka: Vehivavy latsaka tao an-davadrano
Namoy ny ainy ny ramatoa iray latsaka tampoka tao an-davadrano teny Fitraofana, kaominina Talatamaty, ny alarobia 14 mey teo. Nisinton-drano toy ny fanaony andavanandro izy. Nandatsaka ny siny tany tanaty lavaka kinanjo fanina tampoka. Nirona nanaraka ny tady ka nifamonjena. Nananosarotra ho an’ny mponina manodidina ny fanavotana io niharam-boina io. […]
Famonoan-tena : Telo mianaka nisotro poizim-boalavo
Renim-pianakaviana 26 taona nisotro poizim-boalavo ary nomeny koa ny zanany roa vavy tao Anjozorobe, ny alarobia 14 mey teo. Nifamonjena teny anivon’ny hopitaly ireo zaza mirahavavy. Marary mafy, tsaboina eo anivon’ny hopitaly CHRD Anjozorobe ny ankizivavy roa nampisotroin-dreniny poizim-boalavo tao amin’ny fokontany Antanetibe, kaominina Anjozorobe, ny harivan’ny alarobia 14 mey […]
lehilahy voatsindrona antsy: voasambotra ilay nahavanon-doza
Voasambotry ny zandary avy amin’ny Brigade territoriale Brickaville, afakomaly, ilay tovolahy nanindrona antsy ka nahafaty ny dadatoany, tany Nierenanana. Fantatra fa vono olona niniana natao ny tsindron’antsy natao teo amin’ny fony ka nahafaty ity lasibatra ity, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandary any an-toerana. Hita faty nihosin-dra teo ambony […]