Nahatraran’ny mpitandro filaminana voamaso izay nanaovany ody masobe tsy mahita ny gadra iray nandositra tao amin’ny fonja Ambalatavoahangy, kaominina Toamasina, ny 16 septambra lasa teo. Anisan’ireo telo lahy nandositra ny fonja ity gadra ity, izay voasazy an-terivozona mandra-pahafaty. Nanararaotra ny fisian’ny totohatra nampiasain’ny mpiasa nanao fanavaozana tao anatin’ny fonja ireo […]
Tranga
Maty daroky ny ray aman-dreniny: Nalevina antsokosoko i Finaritrasoa Valimbavaka
Maty noho ny kapoka sy fampijaliana nataon’ny ray aman-dreniny i Finaritrasoa Valimbavaka, vao enin-taona, monina eny Ambohijafy, Fenoarivo. Nalevina antsokosoko ny razana. Taorian’ny fanadihadiana, olona telo no voarohirohy. Tsy arakaraka ny anarany, Finaritrasoa Valimbavaka, fa niaina fijaliana mandra-pahafatiny ilay zazalahy vao enin-taona! Namoy ny ainy noho ny vono sy kapoka […]
Mahavoky Anjanahary: Tovolahy iray maty nihantona tao an-tranony
Tovolahy iray, tokony ho 25 taona, hita faty nihantona tao an-tranony, tetsy Mahavoky, fokontany Anjanahary, omaly maraina. Nipetraka tao amin’ny tranohazo mirefy 1 m sy 2m kely iray izy io. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny mponina eny an-toerana, mbola tazana nivezivezy teny amin’ny manodidina izy, afakomaly. Tsy nahitana olana […]
Voaroba ny bisikIleta : Lehilahy nisy namono hita faty
Novonoin’ny tsy mataho-tody, namoy ny ainy, ny raim-pianakaviana iray 39 taona tao amin’ny fokontany Begavo, kaominina Feramanga Avaratra, distraka Ambatondrazaka, ny alin’ny alahady 20 septambra teo. Mivelona amin’ny asa fitaterana olona na entana amin’ny alalan’ny taxi-bisikileta ity lehilahy ity, araka ny loharanom-baovao. Tsy nody an-trano nandritra ny alina izy. Nikaroka […]
Taribin’ny Jirama nianjera : vehivavy namoy ny ainy tao Ambohibary Manjakandriana
Nianjera tampoka ny taribin-jiron’ny Jirama tao Ambohibary Manjakandriana, omaly maraina. Vokany, namoy ny ainy, main’ny herinaratra mahery vaika, ny vehivavy iray. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny zandary sy ny teknisianina. Vehivavy bevohoka iray, 25 taona, matin’ny herinaratra mahery vaika avy amin’ny tariby an’ny Jirama, tao amin’ny fokontany Anosivato I, […]





