Saika voatafika ny mpandraharaha iray tao Ambalankininina, omaly maraina. Tompon’antoka ny jiolahy efatra, nitondra basy. Maty voatifitry ny tompon-trano ny iray tamin’izy ireo. Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny fokontany Ambalakininina, Kaominina Mahanoro, omaly maraina tamin’ny 1 ora. Nahare fisian’olona hafahafa tao amin’ny tanànany ny tompon-trano sady mpandraharaha. Tsy nisalasala namoaka ny […]
Tranga
Olona iray voasambotry ny zandary: Zana-tsokatra 45 isa nokasaina haondrana
Voasambotry ny zandary tany anaty ala manakaiky ny fokontany Ianademby, kaominina ambanivohitra Tranovaho, distrikan’i Beloha, omaly maraina tokony ho tamin’ny 02 ora sy 30 minitra, ny lehilahy iray, 20 taona. Nikasa hanondrana zana-tsokatra manodidina ny 45 isa, izay biby voasokajy arovana izy. Efa nikasa hivoaka ilay toerana ny tenany niaraka […]
Hala-jaza teny Ankazomanga: Vehivavy iray nalefa eny Anjanamasina
Niakatra fampanoavana afakomaly, voaporofo fa manana olana ara-tsaina ka nalefa notsaboina eny amin’ny hopitalin’Anjanamasina ny vehivavy iray. Niditra an-tsokosoko tao amin’ny tokantrano iray teny Ankazomanga izy. Zazalahy 9 taona nijanona irery tao amin’ny trano nidiran’io vehivavy io. Nikorontana ny manodidina noho ny fisian’ny tranga hala-jaza tato ho ato. Nosamborina ilay […]
Mandrosoa Ivato : Mpianaka niara-maty kilan’ny afo
Namoizan’aina olona roa ny haintrano mahatsiravina tetsy Ivato, ny alin’ny talata 4 aogositra. Ankizivavy 16 taona sy ramatoa iray hafa lasibatra nandritra ny loza. Namoy ny ainy ny renim-pianakaviana iray sy zatovovavy 16 taona, tao Antsahambilo, fokontany K1, kaominina Ivato, distrika Ambohidratrimo, afakomaly alina. Nahita afo nirehetra tamin’ny trano nisy […]
Nitaky 15 tapitrisa Ar : Zaza 12 taona nalain’ny zaodahiny an-keriny
Novonoin’ny zaodahiny ny zazalahy 12 taona, tao Belobaka, Tsiroanomandidy, afakomaly. Notakian’ilay vinanto lahy 15 tapitrisa Ar ny rafozany. Nihady votry hatao sakafon’akoho ity lasibatra no tsy hita intsony. Nitady azy ny fianakaviany, nametraka fitarainana teny anivon’ny manam-pahefana. Naharay hafatra miafina tamin’ny alalan’ny finday anefa ny reniny, ny alin’io andro nahavery […]




