Tranga

Resin-tory ny mpamily: taksiborosy nivadika, mpampianatra maty

Olona iray maty, telo hafa naratra mafy. Io no vokatry ny lozam-piarakodia tao amin’ny fokontany Tsoroboy, kaominina ambanivohitr’Amporoforo, Farafangana (RN 12), ny sa­botsy teo. Teo amin’ny 31 km mialoha ny hidirana ny tanànan’i Farafangana no nitranga ny loza. Fiarakodia nitondra mpampianatra 31 mianadahy avy ao amin’ny “Lycée Saint Vincent de […]

Nanolan-jaza 3 taona: ankizilahy 17 taona naiditra eny Antanimora

Voasambotry ny polisim-pirenena, naiditra am-ponja ny tovolahy iray tsy ampy taona tratra nanolan-jaza tao Namontana. Simba tanteraka ilay lasibatra. Miandry ny fotoam-pitsarana azy eny amin’ny fonjan’Antanimora ny lehilahy 17 taona tratra nanolan-jazavavy vao telo taona monja tao Namontana, ny faran’ny herinandro teo. Niova tanteraka ny toe-pahasalaman’io zaza io, araka ny […]

Talata Volonondry : mpamaky trano efatra naiditra am-ponja

Efa nisazy intelo tany am-ponja ny iray tamin’ireo mpamaky trano efa-dahy voasambotry ny zandarimaria tao Ambaniatsimo Antampontsena, kaominina Talata Volonon­dry, ny 14 jolay teo. Mateti-pitranga ny fahavakisana trano ao an-toerana ka nanao vela-pandrika ny mpitandro filaminana. Niara-nifanome tanana tamin’izy ireo rahateo ny fokonolona izay efa leo ny hala-boty. Sarona, nandritra […]