Saron’ny polisim-pirenena ireo roa lahy, mpanendaka taxi-moto sy taxi-bisikileta tamin’ny fiandohan’ity volana janoary ity. Voasambotra tetsy Andranomena, ny alin’ny 04 janoary 2025, tokony ho tamin’ny 11 ora alina lasa teo, ny olon-dratsy iray, izay nanendaka taxi-moto. Mody nanao mpandeha io lehilahy io ary novelesiny tamin’ny tavoahangy tampoka ny lohan’ilay mpitondra […]
Tranga
Lakana rendrika : Olona enina avotry ny miaramila
Rendrika teny am-pandehanana omaly, tao amin’ny elodranon’Antsiranana, ny lakana iray nitondra olona enina. Raha ny fampitam-baovao voaray teo anivon’ny tobim-pamaharan’ny Tafika an-dranomasina ao Antsiranana (Bana), avy any Cap Diego ho any Antsiranana no rendrika tampoka teny am-pandehanana. Voalaza fa nisy fahasimbana ny lakana nentin’izy ireo ka nitarika ny fivadihana. Tonga […]
Antohomadinika : Efa-dahy nahatrarana Héroine
Mpitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika « héroine » miisa efatra mirahalahy nosamborin’ny polisim-pirenena tetsy Antohomandinika, ny alatsinainy 5 janoary teo. Malaza ratsy amin’ny fisiana andiana tanora midoroka sy mitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika ny faritra Antohomadinika sy 67 Ha. Nanao fisafoana tampoka teny an-toerana taorian’ny nahazoany loharanom-baovao ny polisim-pirenena misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny […]
Mananara Avaratra : Mpitondra baka natelin’ny rano
Nokarohin’ny fokonolona nanomboka omaly atoandro, tamin’ny 11 ora, ny lehilahy iray mpitondra baka tao amin’ ny fokontany Antanandava nandritra ny fanantanterahana ny asany tao Ambatondrahilany, distrikan’i Mananara Avaratra. Tra-doza tampoka izy ary nilentika tao anaty rano. Nifampitadiavan’ny namany izay sady mpiara-miasa aminy. Tsy nipoitra intsony taorian’ny naharendrika azy anefa io […]
Nanolana tovovavy 18 taona : Lehilahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka tany Ankazobe
Tsy namelan’ny fokonolona raha tsy maty ny lehilahy mpanolana, tany Ankazobe, afakomaly. Nanolana sy namono nahafaty vehivavy 18 taona, tany an-toerana izy io sy ny namany iray hafa, ny sabotsy lasa teo. Lehilahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka, tany amin’ny kaominin’i Marondry, distrikan’Ankazobe, afakomaly maraina. Nanolana sy namono nahafaty vehivavy 18 taona […]




