Tranga

Ady amin’ny valala: maherin’ny 24 000 ha efa voatondraka fanafody

Mitohy hatrany ny ady amin’ny valala tanterahin’ny fitondram-panjakana. Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny fanavaozana ny famokarana eny ambanivohitra sy ny fanamafisana ny fiarovana ara-tsakafo nasionaly izany. Tamin’ity taona ity, maherin’ny 24 000 ha ny tanety voatondraka fanafody ary mbola hotohizana mandritra ny volana janoary 2026 ny tetikasa amin’ny alalan’ny fametrahana ny tobim-pibaikoana […]

Novonoina sy naolana: ankizivavikely hita faty tao anaty lavadrano

Hita faty tao anaty lavadrano iray, ao Ambovondra­ma­nesy, disitrikan’i Mahajanga II, afakomaly tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro, ny vatana mangatsiakan’ny ankizivavikely vao enin-taona monja. Maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana, naolana sy novonoina ary natsipin’ny olon-dratsy tao anaty fantsakana iray izy io. Fanolanana miharo famonoana ny nahazo azy, […]

Ankorondrano: roa lahy tratra nangalatra moto

Nosamborin’ny polisim-pirenena ny roa lahy tratra nangalatra moto tao amin’ny toeram-piantsonan’ny fiara, ao amin’ny trano fitaratra Ankorondrano, ny 27 desambra lasa teo. Nihaodihaody tao amin’io toeram-piasana io ireo olon-dratsy ka narahin’ny mpiambina maso akaiky. Tsy nahatsikaritra anefa ireo mpandroba fa nanararaotra nanao ny asa ratsiny. Nam­piditra ny fanalahidy manokana tamin’ny […]

Tafatsoaka ny biraon’ny polisy: naiditra eny Tsiafahy ilay namono mpitondra taxi

Notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, omaly, ny iray tamin’ireo namono ilay mpitondra taxi teny Alasora. Nohenoin’ny fampanoavana izy rehefa voasambotra fanindroany, avy nitsoaka tao amin’ny biraon’ny polisy. Naharitra ora maromaro ny fihainoan’ny mpitsara teny anivon’ny fampanoavana ilay lehilahy voasaringotra tamin’ny famonoana raim-pianakaviana iray teny Alasora, omaly. Voasam­botra ny andron’ny […]

Jiolahy telo nanafika: voakapa ny lohan’ny rangahy tompon-trano

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tany Morarano Analankininina, Toamasina, omaly tokony ho tamin’ny 02 ora maraina. Tonga nanafika tokantranon’olona iray ny jiolahy miisa telo, misaron-tava sy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika. Nitondra basy poleta ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Raha nitondra antsilava kosa ny iray hafa. Nokapain’izy ireo tamin’ny antsy ny loha sy tanan’ny […]