Miseholany ny tranga fihazana sy fanondranana biby arovana. Sokatra maherin’ny 5 000 no sarona nanomboka ny volana janoary teo. Mitotaly 5 383 ny isan’ny sokatra sarona nanomboka ny volana janoary teo hatramin’ity volana jolay 2024 ity, araka ny antontanisa navoakan’ny Turtle Survival Alliance na TSA Madagasikara, izay fikambanana tsy miankina […]
Tranga
Vonoan’olona tao Mahajanga : naiditra am-ponja ireo mpiasa roa
Nidoboka am-ponja vonjimaika, omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny lehilahy iray sy vehivavy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana renim-pianakaviana iray tao amin’ny Village touristique Mahajanga. Mpiasan’ity renim-pianakaviana 69 taona niharam-boina ity ihany izy roa ireto. Mipetra-drery ao amin’ny fokontany Mahavoky Atsimo izy no nidiran’ireo mpiasany an-keriny tao an-tranony […]
Ambohitrimanjaka: lehilahy iray maty an-drano
Latsaka an-drano tao ambany tetezan’Ambohitrimanjaka ny lehilahy iray, omaly maraina. Olona teny an-toerana no nahita azy nianjera tao ambany tetezana ka nampiantso ny sampana mpamonjy voina avy hatrany. Fotoana fohy taorian’ izay, tonga nanao ny asam-pamonjena tamin’ny alalan’ny fikarohana ilay niharam-boina ny mpamonjy voina. Nanao izay ho afany tamin’ny fikarohana […]
Lehilahy natao takalonaina : mitaky 8 tapitrisa Ar ireo mpaka an-keriny
Lehilahy 31 taona anisan’ny kartie mobile indray no lasan’ny dahalo tao amin’ny distrikan’Anjozorobe, omaly. Mitaky vola an-tapitrisany ireo mpaka an-keriny. Mitaky vola valo tapitrisa Ar amin’ny fianakavian’ny lasibatra ireo olon-dratsy naka an-keriny lehilahy iray 31 taona tao amin’ny tanànan’Ankidondona, fokontany Andranonkotona, distrikan’ Anjozorobe, afakomaly. Nitondra olona teny anivon’ny biraon’ ny […]
Tsy fahampian-tsakafo: raim-pianakaviana iray matin’ny hanoanana
Hatairana tampoka ny an’ireo olona teo an-tsenan’i Bazarikely Toamasina, omaly maraina. Nianjera tampoka ny raim-pianakaviana iray 56 taona. Raha ny fahitan’ny olona, fanina izy ka nitarika fianjerana teo aminy. Niezaka namonjy azy ireo olona nahita maso azy. Nentina haingana namonjy hopitaly saingy tsy avotra intsony ny ainy. Ho an’ ireo […]