Hentitra amin’ny fampanarahan-dalàna ho an’ireo mpitondra fiara eto Antananarivo Renivohitra sy ny faritra hafa ny polisim-pirenena, araka ny nambaran’ny Tale jeneraly lefitry ny Polisim-pirenena, ny kaomisera Seraly Hercule, ny faran’ny herinandro teo. Taorian’ny fitsaharana vonjimaika ny fisavana nataon’ny ekipan’izy ireo teny an-dalambe, hampihatra avy hatrany ny sazy ho an’ireo minia […]
Tranga
Trano nirodana: ankizy sivy taona namoy ny ainy
Nirodana tanteraka, vokatry ny ora-mikija, ny tranohazo iray tany Maharovitra, kaominina ambanivohitra Bemanonga, disitrikan’i Morondava, faritra Menabe, afakomaly. Nahafatesana ankizilahikely iray (9 taona) izany tranga izany. Ankizilahikely iray, sivy taona, maty nirodanan’ ny trano, afakomaly, tokony ho tamin’ny 3 ora maraina, tany Maharovitra, kaominina ambanivohitra Bemanonga, disitrikan’i Morondava, faritra Menabe. […]
Kamiao tapaka hisatra: olona efatra naratra tetsy Ankazomanga
Nisehoana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona indray tetsyAnkazomanga akaikin’ny tobin-tsolika Jovenna, omaly, tokony ho tamin’ny 07 ora maraina. Nandeha mafy ny fiarabe mpitatitra entana iray, marika Mercedes Benz, miloko fotsy. Tsy tafajanona ary nifoaka olona efatra nandeha teny amin’ny sisin-dalana. Mbola nidona tamin’ny andrin-jiro iray teo amin’ny sisin-dalana ihany koa izy io […]
Niharan’ny fanolanana: herinandro tsy mahatsiaro tena ilay zaza
Mila hakarina tsaboina eto an-dRenivohitra ilay zazavavy fito taona niharan’ny fanolanana tao Tsiroanomandidy ka tsy nahatsiaro tena efa ho herinandro lasa. Afa-miaina sy mihetsika ny vatan’ny zazavavy vao fito taona monja niharan’ny fanolanana tao Mangarivotra, distrikan’i Tsiroanomandidy, saingy tsy mahatsiaro tena hatramin’ny omaly. Nitaraina ho narary io zaza io herinandro […]
Andoharanofotsy: olona mianaka may tao an-tsena
Nitrangana haintrano tetsy Malaho Bevalala,omaly maraina. Nirehitra ny tsena fivarotana iray eo akaikin’ny tobin-dasantsy eny an-toerana. Main’ny afo, nandritra izany, ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany kely, izy ireo izay mpivarotra ao amin’io tsena io. Voa mafy noho ny ratra nahazo azy ilay renim-pianakaviana, tompon’ny tsena. Nentina nankany amin’ny mpanao […]




