Tranga

Lozam-pifamoivoizana RN4: naharatrana olona telo

Tra-doza teo amin’ny PK 236+500, tetezana Ampisavan­karatra, kaominina Ambanivohitra Andriba, Maevatanàna, lalam-pirenena fahefatra, ny fiara fitateram-bahoaka sprinter afakomaly tamin’ny 5 ora latsaka fahefany hariva. Avy aty Antananarivo hihazo an’Ambanja izy io no izao niharan-doza izao. Nidofotra tamin’ny vodina kamiao iray mpitatitra entana teo alohany ity fiara ity ka potika sy […]

Famonoana an’i Raissa kely: hiatrika fampanoavana anio ireo voarohirohy

Nohainoin’ny polisy misahana ny fikarohana heloka bevava teny Anosy, hiatrika fampanoavana anio, ireo olona voasaringotra tamin’ny raharaha fahafatesan’i Raissa kely. Tsy hilefitra amin’izay nahavanon-doza nahafaty an’i Raissa ny fitsarana fa hampihatra avy hatrany ny sazy, araka ny nambaran’ny lehiben’ny Mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga  voalohany, Rakotoniaina Narindra Nava­lona, omaly.  “Efa […]

Vazaha mivady voaroba: Voasambotra tany anaty ala ny mpiambina

Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny mpiambina roa lahy tao amin’ny trano fonenan’ny teratany vahiny iray sy ny vadiny, tao amin’ny kaominina Antanamitarana, distrikan’An­tsi­ranana II, ny alahady 13 mey teo. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ ny trano fonenan’io raim-pianakaviana io sy ny vadiny. Dimy lahy niditra an-keriny ka nampihatra herisetra avy hatrany. […]

Fifamaliana : Lehilahy maty voatsindrona antsy

Lehilahy iray 17 taona maty notsatohan’ny namany antsy, tany amin’ny tsenan’ i Bejofo, fokontany sy kaominina ambanivohitra Ankadinondry, distrikan’i Tsiroanomandidy, faritra Bongolava, afakomaly. Hitan’ny olona nifamaly sy niady ny lehilahy roa tao amin’io tsenan’i Bejofo io, tokony ho tamin’ny 6 ora sy 20 minitra hariva. Nandray antsy ny iray tamin’izy […]