Tranga

Tombanana ho nisy namono : Lehilahy iray hita faty tetsy Ambohidrapeto

Lehilahy iray tokony ho 45 taona, hita faty teny amin’ny fokontany Avaratsena, kaominina ambanivohitra Ambohi­drapeto, afakomaly, tokony ho tamin’ny 8 ora maraina tany ho any. Hita nianjera tamin’ny arabe, teo amin’ny sisin-dalana izy. Nahitana ratra sy kiaka mafy teo amin’ny lohany, nandritra ny fahitana ny razana teny an-toerana. Tsy nahitana […]

Tanambao V: Dekonina namoy aina teo am-pamakiana teny

Nitolefika tampoka teo am-pamakiana tenin’ny soratra masina, tao amin’ny Fiangonana FJKM Betela Tanambao-V, omaly maraina tokony ho tamin’ny 06 ora sy sasany, ny lehilahy iray 45 taona. Nezahina novonjena izy saingy tsy tana ny ainy, taorian’izay. Teo am-pamakiana ny vakiteny fahatelo, nalaina tao amin’ny TesalonianaIII, 3,1-12, fotoam-pivavahana voalohany no niseho […]

Fiara namboarina, nangalarina nentina : 4×4 sy sprinter nifandona, olona valo maty, 18 naratra

Nifandona ny fiara 4×4 sy taxi-borosy iray teny amin’ny Lalam-pirenena fahenina, afakomaly alina. Vokany, valo namoy ny ainy, 18 naratra. Fiara namboarina, nangalarin’ny mpanamboatra nentina ny iray, hoy ny mpitandro filaminana. Nandriaka ny ra, teny amin’ny lalam-pirenena fahenina, noho ny lozam-pifampivoizana nitranga, afakomaly alina tokony ho tamin’ny 9 ora . […]

Aretina hafahafa : Tsy ampy ny mpitsabo, 45 ny namoy ny ainy

Tafakatra 45 ireo olona namoy ny ainy vokatry ny trangan’aretina hafahafa any amin’ny kaominina telo, any amin’ny disitrikan’Ifanadiana, raha ny tatitra navoakan’ny depiote voafidy tany an-toerana, omaly. Anisan’ny ahitana izany, ny ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ampasi­nam­bo sy Fasitsara ary Maroha­ratra. Misy namoy zanaka telo sy efatra ny ray aman-dreny iray. […]

Anjozorobe : Ramatoa hita faty tao an-tranony

Natory tsy nifoha! Namoy ny ainy ny renim-pianakaviana iray nonina tao Foharamanana, fokontany Ambohibeloma, kaominina Anjozorobe, omaly maraina. Mpiara-monina no nahita ny vatan’ity ramatoa ity tsy nisy aina intsony teo ambony fandriany. Naharay fampahafantarana ny mpitandro filaminana momba ny tranga fahitana fatin’olona. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy niaraka tamin’ny tomponandraikitra eo […]