Voasambotry ny polisim-pirenena tamin’ny alahady ny olona fito mianadahy niray tsikombakomba tamin’ny fikasana hanatanteraka fanafihana sy vonoan’olona tao Soavinimerina, distrikan’Avaradrano. Naneho fihetsika mampiahiahy tamin’ny olona lasibatra izy ireo. Naka sary sy nanara-maso hatrany ny fivezivezen’ilay saika horobaina. Nirahin’ny ramatoa iray voalaza ho atidoha tamin’ny fikonokononana vonoan’olona ireto manara-maso. Napetraka ny […]
Tranga
Silivy 15, zandary iray voasambotra ; Amidy 400 tapitrisa Ar ny mason’ny varira iray
Nahitam-bokatra ny iraka nataon’ny mpiambina manokana ny filohan’ny Fanavaozana tany amin’ny distrikan’Ihosy sy Betroka. 15 lahy sy zandary iray voasambotra. Ahina ho tompon’antoka amin’ny fakana mason’ny zaza varira. Voalaza fa amidy 400 tapitrisa Ar izany. Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny fisian’ny mpivarotra mason’olona varira, tany amin’ny distrikan’Ihosy sy Betroka. Manoloana izany, nanirika […]
voaroba ny 4 tapitrisa AR : Tsenam-barotra iray notafihan’ny jiolahy
Notafihan’ny andian-jiolahy miisa enina, ny tsenam-barotra iray tetsy Ambatolampy Antehiroka, ny harivan’ny alahady 2 aogositra 2026 tokony ho tamin’ny 6 ora hariva teo. Mbola teo am-pivarotana ny mpivarotra tao amin’ny tsena no tonga tampoka ireo jiolahy. Niditra tao an-tsena sy nanambana tamin’ny antsy, ny telo tamin’ireo jiolahy, raha ny fanazavan’ny […]
Sekoly voaroba tao Andakana : Mpiasa iray naiditra am-ponja
Niaiky heloka, nitoroka ny toerana nandevenany ny vata fitahirizam-bola « coffre-fort » ny mpiasa iray tao amin’ny sekoly niharan’ny fandrobana teny Andakana, distrikan’Ambohidratrimo, ny 1 jolay teo. Efa nanao teti-dratsy hangalarana tao amin’io toeram-piasany io ity olona voasambotra ity. Nalainy ny solosaina niampy ny lelavola mitetina 10 tapitrisa Ar. Niroso tamin’ny fanadihadiana […]
Toamasina: May indray i Bazary kely, olona iray maty
Ravan’ny afo ny tsena. Kila tsy nisy namantarana azy intsony ny olona iray lasibatry ny fahamaizana tao Bazary kely, Toamasina, ny alin’ny alahady 2 aogositra teo. Nitarika ny firehetan’ny tsena tao Bazary Kely, kaominina Toamasina, ny fipoahan’ny vatoharatry ny finday an’ny mpiambina iray sy ny fifampikasohan’ny herinaratra, ny alin’ny alahady […]




