Tranga

Bolongam-bolamena saika haondrana : Olona enina naiditra am-ponja

Taorian’ny fahatrarana bo­longam-bolamena tetsy amin’ ny seranam-piaramanidina Ivato, ny alahady 13 septambra lasa teo, olona enina voampanga tamin’izany no naiditra vonjimaika eny amin’ ny fonjaben’Antanimora sy Ava­radrano. Valin’ny fitsarana rehefa avy nohenoina sy nampiakarina fampanoavana teo anoloan’ny mpitsara mpanao famotorana tetsy amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) 67 Ha, afakomaly, […]

Vohemar: Mpivady niara-hita faty

Vatana mangatsiaka an’ny mpivady no hany sisa hitan’ny fianakaviany tao Tanimbaribe Andranomamy, fokontany Androrona, distrikan’i Vohemar, omaly. Nisy fifamaliana sy disadisa teo amin’ilay rangahy sy ny vadiny ny harivan’ny alarobia 16 septambra lasa teo, araka ny loharanom-baovao. Niditra an-tsehatra nandamina ny raharaha ny mpiara-monina. Noheverin’izy ireo fa efa milamina io […]

Jiolahy ikoizana teny Ampitatafika : Voatifitry ny zandary teo amin’ny lohany Ra-tantely

Maty voatifitry ny zandary, omaly maraina, Ra-Tantely, jiolahy raindahiny saika hanafika sy nanakorontana teny Ampitatafika. Mpanafika ikoizana sy mpamerin-keloka izy. Efa nanafika Cash point sy nahafaty olona iray teny an-toerana, ny taona 2023. Jiolahy iray antsoina hoe Ra-Tantely indray no la­von’ny balan’ny zandary, omaly maraina, tokony ho ta­min’ny 4 ora […]

Tovolahy roa natao ombay mitady: Samy hita faty tao amin’ny reniranon’Ikopa

Samy hita faty tetsy amin’ ny reniranon’Ikopa, Tanjom­bato, ny vatana mangatsia­kan’ireo tovolahy roa antsoina hoe Tahiry (22 taona) sy Tia­vina (25 taona). Tsy hita ny zoma hariva ireto zanak’olom-pirahavavy ireto ary natao ombay mitady nanomboka ny sabotsy teo. Hita faty ny talata hariva tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany […]