Nahitana fatim-behivavy iray, sahabo ho 30 taona teo ho eo, tetsy amin’ny reninaranon’Ikopa Anosizato, afakomaly tamin’ny 1 ora sy 30 minitra. Tsikaritry ny olona teny amin’ny manodidina natsingevan’ny rano tao anaty tsikafona teny amin’ny tetezan’ny Anosizato ny razana. Nitangorona nitazana sy nijery izany ny mponina, vantany vao nahita ny tranga. […]
Tranga
Fanaovana sorona sy mosavy : Fikambanana miafina nahitana vatam-paty sy karana
Nanao bemidina teny amin’ny foiben’ny Loge Étoile Australe Ivandry ny fitsarana. “Nahitana sabatra, vatam-paty nisy karana, fomba fanaovana sorona mainty teny an-toerana”, hoy ny tonia mpampanoa lalàna. Olona telo naiditra am-ponja. Manoloana ny firongatry ny halatra olona sy ny fahitana fatin’olona teto amin’ny Nosy, nandray ny andraikiny teo anivon’ny fitsarana. […]
voalaza ho nangala-jaza : Naiditra eny Antanimora ilay vehivavy
Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, afakomaly, ilay ramatoa tratran’ny fokonolona voalaza ho nangala-jaza tetsy Ambohidahy Ankadindramamy, ny 29 jolay 2026 teo, taorian’ny fiakaran’ny raharaha teny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy. Raha tsiahivina, naka sary an-keriny ankizivavy 15 taona teny an-toerana izy ka nahatonga ny olona teny amin’ny manodidina niahiahy azy ho […]
Hividy volamena: Mpivady voaroba 15 tapitrisa Ar
Niharan’ny fandrobana nataon’olon-dratsy ny mpivady nikasa hividy volamena tany Ambovombe Centre, afakomaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany. Nividy santionana volamena tamin’olona izy ireo talohan’io tranga io. Taorian’ny fifampiresahan’ny roa tonta, nambaran’ilay mpivarotra fa mbola misy volamena any Manandriana. Nihazo an’Ambovombe Centre izay toerana hakana ny entana izy […]
Fanaovana fitsaram-bahoaka : Lehilahy miisa dimy nalefa eny Antanimora
Niakatra fampanoavana omaly, ary nalefa eny Antanimora avokoa, ny lehilahy dimy voalaza ho nanao fitsaram-bahoaka teny Ampangabe, Ambohidratrimo. Nototoin’izy ireo vato ny lohan’ilay lasibatra, izay nampangaina fa mpangala-jaza. Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, omaly, ny raharaha hala-jaza narahina fitsaram-bahoaka ka nahafatesan’olona tany Ampangabe ny zoma 17 jolay […]




