Tranga

Tafaporitsaka ny iray : jiolahy nahatrarana rongony roa gony

Saron’ny zandary tao amin’ny kaominina Belalôgno, distrikan’i Befandriana Avaratra, afakomaly, ny jiolahy iray niaraka tamin’ny rongony roa gony. Nahazo loharanom-baovao momba ny fisian’ity jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina ity ny zandary ka nahafahana nanao ny vela-pandrika. Roa lahy izy ireo no nitondra entana tao amin’ny fokontany Ambodiadabo saingy tafaporitsaka ny iray. […]

Fanararaotana ara-nofo : Pasitera voaheloka higadra herintaona

Nomelohin’ny fitsarana hamita sazy an-tranomaizina herintaona miampy onitra 16 tapitrisa Ar ny pasitera amina fiangonana zandriny iray ao Ambalamanasy Toamasina, nandritra ny fivoahan’ny didim-pitsarana momba azy, ny alakamisy teo… Nivoaka ny alakamisy lasa teo ny didim-pitsarana manameloka ny pasitera iray ao amin’ny fiangonana zandriny, ao Am­ba­lamanasy Toamasina. Nome­lohin’ny fitsarana hamita […]

Resin-tory ny mpamily: taksiborosy nivadika, mpampianatra maty

Olona iray maty, telo hafa naratra mafy. Io no vokatry ny lozam-piarakodia tao amin’ny fokontany Tsoroboy, kaominina ambanivohitr’Amporoforo, Farafangana (RN 12), ny sa­botsy teo. Teo amin’ny 31 km mialoha ny hidirana ny tanànan’i Farafangana no nitranga ny loza. Fiarakodia nitondra mpampianatra 31 mianadahy avy ao amin’ny “Lycée Saint Vincent de […]

Nanolan-jaza 3 taona: ankizilahy 17 taona naiditra eny Antanimora

Voasambotry ny polisim-pirenena, naiditra am-ponja ny tovolahy iray tsy ampy taona tratra nanolan-jaza tao Namontana. Simba tanteraka ilay lasibatra. Miandry ny fotoam-pitsarana azy eny amin’ny fonjan’Antanimora ny lehilahy 17 taona tratra nanolan-jazavavy vao telo taona monja tao Namontana, ny faran’ny herinandro teo. Niova tanteraka ny toe-pahasalaman’io zaza io, araka ny […]