Tranga

Nahatrarana rongony 30 kg : Olona telo notanana am-ponja

Lehilahy roa sy vehivavy iray niara-voasambotry ny zandarimaria tao Manjakandriana sy Ambatolampy rehefa nahatrarana rongony, afakomaly. Tratra tamin’ny toerana telo samihafa izy ireo raha toa ka mpiara-miasa ny roa. Nitondra entana niala avy any Andilamena hihazo an’Antananarivo Renivohitra ny lehilahy iray. Nanao fisavana tampoka ny zandary teny anivon’ny lalam-pirenena faharoa […]

Raim-pianakaviana nahavanon-doza: Maty notsatohany antsy ny zanany roa lahy

Maty novonoin-drainy tamin’ny antsy, ny zanany lahy 12 sy 8 taona tetsy Imerimanjaka, ny sabotsy alina lasa teo. Nikasa hamono tena izy taorian’izay, saingy tsy maty. Niady izy mivady ka tany amin’ireo ankizy no nanamparany ny hatezerany. Ankizilahy mpiray tampo, 12 sy 8 taona, maty notsatotsatohan’ny dadany niteraka azy tamin’ny antsy, […]

Ranohira : Tratra ireo roa lahy mpivarotra voamaso

Notanana vonjimaika any am-ponja, miandry ny fotoam-pitsarana azy, ireo roa lahy tratra nivarotra voamaso tao amin’ny kaominina Ranohira, distrikan’Ihosy, afakomaly. Na­haray loharanom-baovao avy tamin’ny tsara sitrapo ny polisim-pirenena miasa ao an-toerana fa misy roa lahy nikasa hivarotra voamason’olona mihaodihaody tao an-tanàna. Nidina ifotony nanamarina ny zava-misy sy nanao ny vela-pandrika […]