Tranga

Voalaza ho nangala-bola : Tovolahy nananton-tena tamin’ny tady

Hita faty nihantona tamin’ny tady tao an-tranony, tany Maha­tsinjo, vakim-paritra voalohany, Mahajanga, afakomaly atoandro, ny tovolahy iray manodidina ny 13 taona. Niara-nipetraka tamin’ny reniny izy, ary tamin’ny fotoana tsy nahatao ity farany no namonoany tena. Nandeha nivoaka niasa maraina ny reniny. Vatana manga­tsiaka efa nihantona tamin’ny tady sisa novantaniny tao […]

Lehilahy hita faty tetsy Andoharanofotsy : Karohin’ny zandary fatratra ny vadiny

Hita faty nafenina tao ambany fandriana, tetsy Andoharanofotsy, ny lehilahy iray afakomaly. Ahina ny vadiny niara-monina taminy ka karohin’ny zandary fatratra. Nitrangana vono olona mahatsiravina tao amin’ ny fokontany Beomby, Andoharanofotsy, afakomaly maraina. Hita faty nafenina tany ambany fandriana, tao amin’ny rihana faharoa, ny lehilahy iray, 31 taona. Nahi­tana dian’antsy […]

Fihinanana antsantsa: Telo namoy ny ainy, 12 manaraka fitsaboana

Olona 15 tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo tany amin’ny fokontany Analovana, kaominina ambanivohitr’i Fa­nam­bana, distrikan’i Vohemar, ny faran’ny herinandro teo. Tafakatra telo ireo olona maty vokatr’izany, hatramin’izao, raha ny tatitra voaray avy any an-toerana. 12 ireo mbola manaraka fitsaboana any anivon’ny hopitaly Salfa. Raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana, nihinana antsantsa […]

MPAMILY nahafaty olona roa: Nahazo sazy mihantona herintaona

Nivoaka omaly, teny anivon’ny fitsarana Anosy, ny didy momba ny mpamily fiara Mazda nandona ka nahafaty olona roa nitaingina moto teny Andraharo, ny 26 janoary lasa teo. Nampiaka-peo ny fianakavian’ireo namoy ny ainy tamin’io fotoana io, taorian’ny didim-pitsarana nivoaka. Nosazian’ny fitsarana higadra herintaona sazy mihantona ny mpamilin’ny fiara nahavanon-doza. Tsy […]

Raikely naiditra am-ponja: Mirongatra ny fanolanana sy ny fifamotorana

Mirongatra indray ny fanolanana. Zazavavikely vao 9 taona sy 13 taona no lasibatry ny raikeliny. Mahazo vahana ny fifamotorana. Andrasana ny fampiharana ny lalàna. Mitady hahazo vahana indray ny fanolanana ankizy sy tovovavikely amin’izao fotoana izao. Tao anatin’ny herinandro, olona efatra no naiditra am-ponja. Ny tena zava-doza, ny ray aman-dreny […]