Tranga

Tsy hita tapa-bolana : fatin-dehilahy notarihin’ny alika

Hitan’ny fokonolona notarihin’ny alika ny fatin’olona iray tao anatin’ny fokontany Mamoladahy- Amparihy, kaominina Imerintsiatosika, afakomaly tolakandro. Karan-doha sy taolan-dava niampy fofona no nanaitra ny manodidina nahita io zava-nisy io. Nanamarina ny fitafiana sy ny pitsopitsony hita teo amin’ny manodidina ny mponina ka voamarina ny momba io maty io. Tsy hita […]

Lasan’ny dahalo ny omby iray vala: raim-pianakaviana maty voatifitra

Lavon’ny bala ny raim-pianakaviana iray. Noraofin’ny dahalo ny omby tao am-bala tao amin’ny fokontany iray anatin’ny kaominina Maintirano, afakomaly alina. Miakatra an-tanàna ny dahalo ao amin’ny fokontany Tanambao SPM, Kaominina an-dRe­ni­vohitr’i Maintirano, ny alin’ny alatsinainy 15 jolay teo. Niara-nisakafo hariva tamin’ny vadiny ny raim-pianakaviana iray monina ao an-toerana tamin’io hariva […]

Fisolokiana laza adina bakalorea : lehilahy iray nosamborin’ny polisy

Manakorontana saim-bahoaka sady misoloky, voasambotry ny polisim-pirenena ny lehilahy iray nisoloky ho manana laza adina amin’ny fanadinam-panjakana bakalorea tao Antsiranana Reni­vohitra, afakomaly. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana momba ny fisian’io lehilahy milaza ho manana laza adina io. Miara-miasa amin’ny tompona vondrona anatin’ny tambajotran-tserasera izy ka amidiny 20 000 Ar io laza […]

Olana ara-pitiavana : lehilahy maty nananton-tena

Tovolahy iray no hita faty nihantona tamin’ny ta­dy tao Beampombo Fan­dri­ana, omaly vao maraina. Tsy fantatra mazava izay antony nahatonga azy nananton-tena tamin’ny tady fa efa tsy nisy aina intsony izy tamin’ny fotoana nahatongavan’ny mpitandro filaminana niaraka ta­min’ny dokotera nanao fizahana ny razana. Tao an­atin’ny fanadihadiana na­taon’ny mpitandro filaminana no […]

Bisikleta voafaokan’ny fiara : vehivavy bevohoka niara-maty tamin’ny vady aman-janany

Namoy ny ainy teo no ho eo ilay rangahy voadonan’ny fiara teny amin’ny RN1, teo Ambatonapoaka. Tsy tana ny ain’ny vadiny bevohoka sy ny zanany kely rehefa nentina nihazo ny hopitaly. Voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana niloko mainty ny fiara mazda iray teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, teo Am­batonapoaka, distrikan’Ari­voni­mamo, omaly maraina […]