Nilanja sorabaventy teny anoloan’ny minisiteran’ny Fitsarana, eny Faravohitra, omaly, ny fianakavian’ny lasibatra nandritra ny poa-basy nahafatesan’olona teny Andranoro. Mitaky ny fandrasain’andraikitry ny fitsarana ahafahan’ny marina mivoaka momba ny nahafaty ny fianakaviany izy ireo, araka ny fanazavana voaray teny an-toerana. « Tsy nangalatra na nandroba ny havanay kanefa notifirina ary niafara tamin’ny […]
Tranga
Fanakanan-dalana – RN4 : Jiolahy iray maty voatifitra
Lavon’ny tifitry ny zandarimaria, nandritra ny fisafoana tao amin’ny kaominina Ambondromamy, distrikan’Ambato-Boeny, afakomaly, ny jiolahy iray. Manoloana ny fitarainana voarain’izy ireo eny anivon’iny faritra iny, nanao paikady manokana tamin’ny alalan’ny fisafoana alina eny amin’ny manamorona ny lalam-pirenena faha-4 ny zandary miasa eo anivon’ny vondron-tobim-paritra ao an-toerana. Nifanehatra tampoka tamin’ny mpanao […]
Lozam-pifamoivoizana : Vehivavy nitondra bisikileta maty voahitsaky ny kamiao
Fiarabe mpitatitra iray nanitsaka olona tany Moramanga, omaly. Maty tsy tra-drano, vokatr’izany, ny vehivavy iray nitondra bisikileta. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany amin’ ny lalam-pirenena faharoa, omaly tokony ho tamin’ny 5 ora sy fahefany hariva. Nitranga teo alohan’ny sekolim-pinoana iray ao Moramanga ny loza. Vehivavy iray manodidina ny 30 […]
Andian-jatovo nifamono : Tovolahy roa namoy ny ainy
Raikitra ny sakoroka tao amin’ny efitranon-danonana, ao amin’ny fokotany Ranomena, komininina Toamasina, ny alin’ny asabotsy 8 novambra hifoha ny alahady teo. Nifamaly noho ny resa-behivavy ireo roa lahy. Naharitra izany ka niditra an-tsehatra ny akaman’ ireo mpifanandrina, andaniny sy ankilany. Vokatr’ izay, raikitra ny fifandratrana. Voadaroka mafy, naratra ka tsy tanà […]
Tambajotra Qnet : Olona 25 voasambotra, nisoloky 3 tapitrisa Ariary
Mahatratra 25 ireo olona voasambotry ny polisy ao Mahasalama, Port-Bergé, faritra Sofia, nanomboka ny volana oktobra hatramin’ity volana novambra ity. Voasambotra ny 03 novambra lasa teo ny valo amin’izy ireo. Izay nahitana mpitantana telo sy mpikambana dimy. Voarohirohy amin’ny asa fisolokiana ao anatin’ny tambajotra Qnet izy ireo. Tambajotra malaza amin’ny […]




