Tranga

Nisandoka andraikitra : naiditra am-ponja ireo efa-dahy

Naiditra am-ponja avokoa ireo efa-dahy nisandoka anaran’olona ambony mpikambana ao amin’ny Governemanta izay voasambotra ny volana mey teo. Nampiasa kaonty sandoka amin’ny tambajotran-tserasera ireo mpisoloky ireo. Nangalany vola ireo lasibatra. Nitonona ho mahatafiditra ho mpiasam-panjakana rahateo izy ireo ka nanao mora ny fanambakany. Nanao fikarohana ny polisy misahana ny fikarohana […]

Ao anatina fikambanan-jiolahy : voaheloka hiasa an-terivozona 10 taona i Alain sy Laro

Fanafihana mitam-piadiana, fikambanan-jiolahy no vesatra iampangana ireto tovolahy roa mpiambina mpamongady iray ao Toamasina. Nampangain’ny « bar à pince » sy lelavola 7 tapitrisa Ar tany aminy ry zalahy ireto… Araka ny antontan-taratasin’ady laharana faha-149-Toa/23-3404-RP/21, notsaraina teo anivon’ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava, ny zoma lasa teo, ity raharaha ity. […]

Nikasa hisasa tongotra: lehilahy hita faty tao amin’ny ranon’Ikopa

Lehilahy manodidina ny 32 taona maty an-drano teo amin’ny ranon’Ikopa, teo Tan­jombato, omaly. Araka ny angom-baovao, nanasa tongotra teo amoron-drano io lehilahy io, ny tolakandron’ny alahady 7 jolay teo. Lasan’ny rano tampoka anefa izy ka nikoropaka nitazana ny mponina manodidina. Niandry azy hivoaka ireo mpanasa lamba teo akaiky saingy vao […]

Basy roa sy bala tratra: jiolahy raindahiny maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny polisy ny jiolahy raindahiny mpanao fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny distrikan’i Betafo, omaly. Mpanao io asa ratsy io izy ka nosamborin’ny mpitandro filaminana Marotsiazo, kaominina Betafo, ny 7 jolay teo. Nanatontosa fanafihana niaraka tamin’ny namany io jiolahy io ka antony nisamborana azy. Natao famotorana, nanaiky hitoroka ny mpiara-miombona antoka […]