Miatrana eny an-kianja hatrany saingy miato ny fisavana an-dalambe ataon’ny polisy misahana ny fifamoivoizana, araka ny naoty nivoaka teo anivon’ny polisim-pirenena, omaly. Mifototra amin’ny fampiharana ny asa amin’ny ankapobeny, toy ny fampanarahan-dalàna sy fanentanana ny vahoaka hanara-dalàna ny polisim-pirenena. Tsy hisy, mandritra ny fotoana tsy voafaritra, ny fisavana mahazatra ataon’ireo […]
Tranga
Ranomasin’i Katsepy: Tafakatra 14 ireo razana hita
Nitombo ho 14 ny isan’ireo maty an-drano, hita tany amin’ ny fokontany Antrema, kaominina ambanivohitra Katsepy, distrikan’i Mitsinjo, faritra Boeny, hatramin’ny omaly maraina. Hita tany amin’ny fari-dranomasin’ny Grand pavois Mahajanga ny roa, raha tany Marohala kosa ny iray hafa. Naterina any amin’ny tranom-paty CHR Androva ireo razana hita ireo. Marihina fa […]
Fanamafisana ny filaminana : Nametraka paikady ny OMC nasionaly
Nivory miaraka ny Praiminisitra, lehiben’ny governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, sy ireo lehiben’ny fitandroana ny filaminana sy ny lafintany, eo anivon’ny OMC nasionaly, afakomaly alina. Niompana tamin’ny filaminana amin’ny ankapobeny ny dinika ka tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana ny paikady rehetra hiatrehana izany. Anisan’ny nifanakalozan’ ireo tomponandraikitra ny fanamafisana ny filaminana […]
Mpisakaiza namono tena: Nivoa-dra ny oron’ilay lehilahy hita faty
Nivoa-dra tanteraka ny tavan’ilay lehilahy hita faty tao ambanin’ny tetezan’Ankadindratombo, fokontany Mandroseza, boriborintany faharoa, omaly maraina tamin’ny 7 ora sy 22 minitra. “Nitsambikina teo ambonin’ny tetezana io lehilahy io sy ny sakaizany izay voalaza fa bevohoka, ny alin’ny alahady 2 novambra teo, tamin’ny 8 ora”, hoy ny fanazavan’i Rijaharisoa, mponina […]
Halatra omby: Dahalo roa maty
Dahalo roa maty, olona valo naratra nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo mpangalatra omby tao Antabika, fokontany Antranokaky, kaominina ambanivohitra Vineta Andamasiny, distrikan’i Sakaraha, ny alin’ny alahady 2 novambra lasa teo. Nidiran’ny dahalo telopolo mahery ity tanàna ity. Araka ny vaovao azo, omby 107 nalain’ireo jiolahy, tafaverin’ny fokonolona. Nanao fanarahan-dia ny […]




