Tranga

Lozam-piarakodia teto an-dRenivohitra : Olona efatra maty tanatin’ny roa andro

Nahatratra efatra ireo olona matin’ny lozam-piarakodia niseho teto an-dRenivohitra tanatin’ny roa andro, afakomaly sy omaly. Telo namoy ny ainy nandritra ny fifandonana niseho tetsy Tsarasaotra, afakomaly. Vokatry ny tsy fitandreman’ ny mpampiasa lalana avokoa ny nahatonga ireo lozam-pifamoivoizana ka nitarika tamin’ny famoizana aina. Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona telo teny amin’iny […]

EPS- BEPC : Mandray mpiadina 4 334 ny Kianjan’Isahafa

Ambohi-pihaonan’ny mpiadina fanatanjahantena amin’ny BEPC nanomboka omaly, ny tao amin’ny Kianjan’Isahafa, ao Anosy Avaratra. Avy amin’ny Zap 11, anatin’ny Cisco Antananarivo Avaradrano, ireo mpianatra manao ny fanadinana. Mpiadina miisa 4 334, avy amin’ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana amin’ny tapany avaratra no miatrika izany. Tafiditra ao ireo mpiadina avy […]

Boulevard Ratsimilaho : Polisy kaominaly matin’ny lozam-pifamoivoizana

Moto nandeha mafy ka tsy nahafehy izany ny mpitondra ary nianjera. Nipitika teny amin’ny sisin’arabe ny lehilahy iray ka nitarika ny fahafatesany, tao amin’ny Boulevard Ratsimilaho, Toamasina, ny alahady 11 mey maraina teo. Tovolahy mpiasa eo anivon’ny kaominina manakaiky ambonivohitra Toamasina II izy. Polisy kaominaly no anjara asany amin’izany. Raha […]

Fiara nivarina an-kady teny amin’ny RN4 : Mpianatra roa vavy namoy ny ainy, karohina ny mpamily

Namoizan’aina olona roa indray ny lozam-pifamoivoizana nitranga teny amin’ny RN4, teo amin’ny fokontany Mane­rinerina, kaominina Maha­tsinjo, distrikan’Ankazobe, omaly. Avy nanao dia fibeazana, nitodidoha hihazo ny renivohitra ireo mpianatra ireo sy ny mpanabe azy. “Avy amin’ny oniversite tsy miankina izy ireo. Manodidina ny 17 hatramin’ny 22 taona eo avokoa ny salan-taonan’ireo […]

Fivarotana cocaïne : Lehilahy voarohirohy voasambotry ny polisy

Lehilahy roa voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP2 Mangarano, Toamasina afakomaly hariva. Voasambotra noho ny raharaha fitazomana sy fivarotana zava-mahadomelina mahery vaika (cocaïne) izy ireo. Olona tsara sitrapo no sahy nitoroka ka nahafahana nisambotra azy roa lahy ireto. Natao ny vela-pandrika, vokany tratra tany Ambohijafy ny iray ary tany […]