Tranga

Fisavana teny Ambohibao: Olona efatra nalefa eny Tsiafahy

Niakatra fampanoavana tetsy anivon’ny fitsarana am­baratonga voalohany Anosy, tamin’ity herinandro ity, ny raharaha fisavana tsy ara-dalàna nataon’andian’olona tamin’ny tranon’ny teratany Sinoa iray teny Ambohibao, ny 9 jolay 2026 lasa teo. Raha ny fanazavana voaray, tsy nahazoana alalana ny fisavana nataon’izy ireo tamin’io tokantrano io. Voarohirohy tamin’izany sy voasambotra ny olona […]

Taorian’ny fotoam-bavaka: Misesisesy ireo olona hita velona

Misesisesy ny fahitana olona velonaina soamantsara taorian’ny fotoam-bavaka nandroahana devoly, natao tetsy amin’ny Parvis Analakely, ny zoma 25 jolay 2026 teo. Taorian’io fotoana io, efa am-polony ireo olona hita. Velonaina soamantsara ary tsy misy atahorana ny fahasalamany, ara-batana sy ny ara-tsaina. Amin’ny ankapobeny, tonga manatona ny fianakaviany sy mody any […]

Voalaza ho nangala-jaza: Lehilahy iray nodoran’ny fokonolona

Maty nodoran’ny fokonolona omaly, ny lehilahy iray nampangaina ho mpangala-jaza tany amin’ny fokontany Dango. Renim-pianakaviana roa samy hafa no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka teny Ankadindramamy sy Antsirabe noho io resaka io ihany. Mila mitandrina ny rehetra! Manomboka miroso amin’ny fitsaram-ba­hoaka ny fokonolona. Lehilahy iray tsy salama saina, 32 taona, maty nodoran’ny […]

Ankazobe : Lehilahy naratra voatifitry ny olon-tsy fantatra

Lehilahy 31 taona naratra voatifitry ny olon-tsy fantatra tany Mananasy, fokontany Ambohimanarivo, distrikan’ Anka­zobe, ny alin’ny alatsinainy 27 jolay hifoha ny Talata 28 jolay lasa teo. Nandeha irery avy any amin’ny fokontany Ambohimanarivo, kaominina Fiadanana izy, tokony ho tamin’ny 1 ora maraina tany ho any. Nifanena tampoka tamin’ny telo lahy […]