Tsy tifitra fa tora-bato no antony namparatra ilay lehilahy 20 taona, mpitolona nanao fihetsiketsehana teny Ambatofotsy, afakomaly, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisim-pirenena Fip. Naratra mafy noho ny tora-bato ny lohany ka nitarika azy tamin’ny fahafatesany, raha ny fanazavana voaray hatrany. Nezahina novonjena haingana teny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha […]
Tranga
Poa-basy teny Tsiadana : Sergent namono rafozana, nitolo-batana
Namoy ny ainy taorian’ny tifitra nataon’ny vinantolahiny ny ramatoa iray 62 taona teny amin’ny fokontany Tsiadana, boriborintany faha-II, omaly. Nitolo-batana ilay nahavanon-doza. Voan’ny bala teo amin’ny faritry ny masony ankavia, namoy ny ainy, ny renim-pianakaviana iray tao amin‘ny fokontany Tsiadana, boriborintany faharoa, omaly maraina tamin’ny 7 ora sy sasany. Poa-basy […]
Nandroba mpanao Cash point : Jiolahy roa lahy maty voatifitry ny polisy
Nirefodrefotra ny poa-basy teny amin’ny manodidina ny trano dimy, Ampangabe, boriborintany fahefatra, ny alin’ny alatsinainy 14 septambra teo. Nitrangana fanafihan-jiolahy tao amin’ny fokontany Anosibe Ambilanibe, talohan’io tranga io. Lasan’ireo tsy mataho-tody ny vola teny amin’ity renim-pianakaviana. Naratra vokatry ny herisetra nataon’ny jiolahy azy ilay ramatoa. Jiolahy roa lahy naneho fihetsika […]
Notafihan’ny jiolahy efatra : Telo mianaka naratra, voaroba ny vola
Voatery manaraka fitsaboana eny anivon’ny hopitaly, vokatry ny daroka sy vono nahazo azy, ny raim-pianakaviana iray ao amin’ny fokontany Ambodisaina, kaominina Toamasina, ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy 14 septambra lasa teo. Nanao saron-tava avokoa ireo jiolahy miisa efatra izay niditra an-keriny tao amin’ilay tokantrano lasibatra. « Nizarazara nisava ny tato […]
Nanapa-dalana teny Ambatofotsy: Mpitokona iray maty, 16 voasambotra
Voalaza fa maty voatifitra teo amin’ny loha ny iray tamin’ny mpitokona, omaly, teny Ambatofotsy. Nisy 16 hafa nosamborina. Mitaky ny tsy hanesorana azy ireo eny amin’ny Fasan’ny Karana izy ireo. Milaza ny tsy hihemotra amin’ny fanapahan-keviny ny fanjakana. Nidina an-dalambe teny amin’ny lalam-pirenena fahafito ireo mpitatitra avy eo amin’ny Fasan’ny […]





