Soa fa haingana ny fahatongavan’ny polisy fa raha tsy izany saika tratran’ny fitsaram-bahoaka ireo roa lahy nitondra gony nifatotra misy olona mihetsiketsika tao Verrerie Toamasina, omaly. Noheverin’ny olona fa mpangala-jaza hay olona sembana hitadiavam-bola no tao anaty gony… Raikitra indray ny savorovoro teo amin’ny mponina tao amin’ny fokontany Verrerie Toamasina, omaly. […]
Tranga
Fikambanan-jiolahy « Wrong Turn » : lavon’ny balan’ny zandary Ramaitre sy ny namany
Taorian’ny nahasamboran’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Ambohimalaza an’i Lavakely (jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana sy vaky trano) tao Dakara fokontany Ikianja Ambohimangakely, ny 15 mey 2024 lasa teo, noraisin’ny zandary ao amin’ny zana-tobim-paritra Soamanandrariny sy ny tobim-paritra Ambohimangakely indray ny fanohizana ny fanadihadiana. Fantatra tao anatin’izany fa isan’ny nanafika olona miasa […]
Nangalatra finday roa : voasambotra ilay mpangarom-paosy
Nanararaotra ny hamaroan’ny mpivezivezy, mpangarom-paosy iray voasambotra tao Andranomafana, Antsirabe, ny 19 mey lasa teo. Tovolahy iray nilalao teny an-toerana no lasibatry ny asa ratsin’io tontakely io. Norobainy ny finday roa ka nitsoaka izy. Niantso vonjy tamin’ny manodidina anefa ny lasibatra. Raikitra ny fifanenjehana. Nitsambikina niditra tao amin’ny tanànan’ny Norvezianina […]
Rongony «Skunk» 10 kg : maorisiana telo mpanao trafika, voasambotra
Rongony mahery vaika atao hoe «Skunk» efa notsinjaraina anaty fonosana maromaro, tra-tehaky ny zandarimaria tao Toamasina, ny 15 mey teo. Olona efatra voasambotra ka teratany vahiny ny telo Skunk milanja 10 kilao efa voatsinjara anaty fonosana, saron’ny zandarimaria misahana ny fikarohana heloka bevava, tao Toamasina, ny 15 mey lasa teo. […]
Tsy ireo lehilahy ihany : vehivavy manendaka sy manataka poketra
Manao ny ataony koa ! Mirongatra amin’izao fotoana izao ny fisian’ireo andiam-behivavy mpanao herisetra sy mpanataka poketran’olona mpiantsena ao Bazarikely hatrany tsenam-borondolo Ambolomadinika Toamasina. Dimy vavy izy ireo no indray saron’ny polisy, ny zoma lasa teo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny lehiben’ny kaomisaria Foibe Toamasina, ny Kaomisera Rakotondrainivonona Panoël Tsiky. Niainga […]