Tranga

Moto nifandona : Olona roa naratra mafy tetsy Nanisana

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tetsy Nanisana, afakomaly hariva. Moto anankiroa no nifandona mafy teo akaikin’ny rond-point Nanisana tamin’io fotoana io. Potika sy niforitra tanteraka ny lohan’ireo kodiaran-droa nifandona ireo. Nianjera sy nitsirara tamin’ny arabe ireo nitondra azy. Vokany, olona roa naratra mafy, vokatry ny dona nahazo azy. Izay nahitana ny mpitondra ny […]

Olona enina naiditra am-ponja: Zaza varira nalaina an-keriny, tafaverina tamin’ny fianakaviany

Avotry ny polisim-pirenena, omaly, tany amin’ny kaominina Antranomaro, distrika Amboasary Atsimo, ny zaza varira iray nisy naka an-keriny. Olona enina voarohirohy tamin’izany, efa naiditra vonjimaika am-ponja. Hita sy avotry ny polisim-pirenena soa aman-tsa­ra, tany amin’ny kaominina Antranomaro, distrika Amboasary Atsimo, faritra Anosy, omaly, ny zaza varira (12 taona) iray nisy […]

Toamasina Renivohitra : Mpirakidraharaha notafihin’ny jiolahy

Tsy milamina i Toamasina! “Efa ny jiolahy no tompon’ny tanàna ary sahy mampihorohoro ny fiarahamonina rehetra ary mihetraketraka izay tsy izy”. Izay no azo hamehezana ny fitarainan’ny mponin’i Toa­masina, ankehitriny. Ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy 23 oktobra teo, notafihin-jiolahy miisa efatra misaron-tava sy mirongo fiadiana toy ny basy sy […]

Fanafihan-jiolahy: Tokantrano voaroba enina hetsy Ar

Lelavola enina hetsy Ar norobain’ny olon-dratsy tao amin’ny fokontany Andranomadio Parcelle 11/43, kaominina Toamasina, ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 26 oktobra lasa teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tranombarotra iray, ao an-toerana, ireo jiolahy. Niditra tao amin’ny trano fonenan’ny tompon-tsena izy ireo. Mody nanapoaka tsipoapoaka ho solom-basy nentina nampitahorana ny […]