Tranga

Hosoka tamin’ny BEPC: mpianatra 18 mianadahy naato!

Tsy afaka manohy intsony ny fanadinana BEPC ny mpianatra 18 mianadahy. Tra-tehaka teo am-pandikana ny valin’ny laza adina matematika izy ireo, omaly. Mpampianatra iray nosamborina. Noraisim-potsiny! mpampianatra iray amin’ny sekoly tsy miankina ao amin’ny faritra Sofia no voasambotra, omaly. Tra-tehaky ny polisy teo am-pizarana valina laza adina matematika tamina mpiadina […]

Olona 12 naratra: karandalana iray latsaka tao ambany tetezana

Nitrangana lozam-piarakodia nandratrana olona indray teny amin’ny lalam-pirenena faha-13, omaly. Fiarabe ka­randalana, Tata, mampitohy an’Antananarivo sy Taola­g­naro ity tra-doza tampoka ity. Niainga avy aty an-dReni­vohitra hihazo an’i Taolagnaro ity karandalana ity no nivadika tampoka teny an-dalana. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Betroka, teo amin’ny tetezana […]

Nandroba volamena sy vola : dahalo roa lahy maty voatifitra

Lavon’ny tifitry ny zandary ny dahalo roa lahy nangalatra tao Antanamandroso, fokontany Mangatoka, kaominina Mahajamba, ny 29 jona teo. Mpanao fanafihana mitam-basy, efa nahazo entana maro isan-karazany tamin’ny toerana samihafa ireo olon-dratsy ireo. Nanao fikarohana, araka izany, ny mpitandro filaminana nampian’ny fokonolona. Niainga avy ao Bepaipaika ireo mpanara-dia ireo ka […]

Olana ara-pitiavana: Vehivavy maty nananton-tena

Niady mivady lava! Diso fanantenana tamin’ny fitiavana ny renim-pianakaviana iray ka nisafidy ny hamono tena. Nahantony tamin’ny tady ny tendany, araka ny filazan’ny zandary. Tanora vao erotrerony, maty nananton-tena ny vehivavy iray 20 taona tao amin’ny fokontany Anko­bakobaka, kaominina ambanivohitr’i Morafeno, ny zoma 28 jona teo. Tsy nisy nanampo na […]

Ambohitrimanjaka : Jiolahy tratra teo am-pangalarana moto

Soa ihany fa haingana ny fahatongavan’ny zandary, raha tsy izany matin’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy iray tratra teo am-pangalarana moto, tao amina tokantrano iray eny Ambohitrimanjaka, ny sabotsy hariva teo. Nipetraka teo an-tokotany ny moto iray ka nidiran’ireo jiolahy ary saika havoakany tao. Tsika­ritry ny tompony anefa ny fidiran’ireo olon-dratsy satria […]