Hita afakomaly tamin’ny 8 ora alina, tany amin’ny fari-dranomasin’i Fenoarivo Atsinanana, 5 km miala an’i Toamasina, ny vatana mangatsiakan’ilay tovolahy 14 taona, natelin’ny ranomasina, ny talata atoandro teo. Mpanarato no nahita ny razana natsingevan’ ny ranomasina ka nampiakatra izany an-tanety. Efa lanin’ny trondro ny masony ary niofaka ny tarehiny, taminn’ny […]
Tranga
Amboditsiry: Lehilahy roa tratra nanao sinto-mahery
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Analamahitsy, tetsy Amboditsiry, ny lehilahy roa. Tra-tehaka teo am-panaovana sinto-mahery olona teny amin’ny manodidina izy ireo, afakomaly, tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Nampiahiahy ny fihetsik’izy ireo ka narahi-maso ary izao tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny izao. Nentina eny anivon’ny biraon’ny kaomisaria […]
Tsy navela hamonjy alim-pandihizana : Notsatohany antsy ny mpampiasa azy
Notsatotsatohany antsy ireo mpivady mpampiasa azy, tany Andravola, Vohipeno, Ambatolampy, afakomaly. Noho izy tsy navela hanatrika alim-pandihizana amin’ny famadihana no antony. Voasambotra tany Ambohimandroso, omaly maraina, izy. Tovolahy mpiasa an-trano. Voasambotra omaly maraina tany amin’ny tobim-piantsonana Ambohimandroso ny tovolahy iray 18 taona, mpanampy an-trano, tompon’antoka tamin’ny famonoana ireo mpivady niasany. […]
Lozam-pifamoivoizana : Rangahy iray maty voafaokan’ny Tuc-tuc
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany amin’ny lalam-pirenena faharoa Bis, afakomaly, tamin’ny 7 ora hariva. Niseho teo amin’ny toerana manoloana ny Tropical Fruit izany. Tuc-tuc marika Piaggio iray, nentina lehilahy iray 30 taona, no nihavian’ny loza. Nandona rangahy (55 taona) nandeha an-tongotra teny amin’ny sisin-dalana izy. Noho ny hamafin’ny dona, […]
Niala ny tranony : Lehilahy hita faty tao amin’ny ranon’Ikopa
Raim-pianakaviana iray hita faty teny amin’ny reninanon’Ikopa, manakaiky ny Digue Andohatapenaka, afakomaly maraina. Mpanarato teny an-toerana, avy any Ambohitrimanjaka, no nahita razana, ka nampandre ny tomponandraikitra. Nisaringotra tao amin’ny haratony ny tongotr’ilay olona maty. Nampiakatra ny razana hita teny an-tanety ny avy amin’ny sampana mpamonjy voina. Nitondra izany teny anivon’ny […]




