Tranga

Afon-tsaribao tsy voafehy : Tovovavy 13 taona maty, may ny tranon’i Nenilava

Nirehitra, omaly, ny tranon’i Nenilava, mpiandry manana ny maha izy azy eo anivon’ny fiangonana Loterana. Sempotra sy may ny tovovavy 13 taona. Nahatonga izany ny afon-tsaribao tsy voafehy. Nitrangana haintrano namoizana aina indray tetsy amin’ny toby Loterana Ambohibao, omaly maraina tamin’ny 9 ora sy 20 minitra. Izay toby fandraisana an-tanana […]

Very ny 1 tapitrisa Ar: Mpivarotra zava-pisotro voan’ny fandraikiraikena

Toy ireny voan’ny fandraikiraikena ireny ny mpivarotra zava-pisotro iray tany Maha­masina, fokontany Ala­ka­misikely, Antsampanimahazo, kaominina Ampahimanga, faritra Itasy, omaly tamin’ny 3 ora maraina tany ho any. Nihaodihaody sy nivezivezy tamin’ny mpivarotra roa samihafa nandritra ny alim-pandihizana iray tany an-toerana, ny andian-jatovo miisa dimy. Lasan’izy ireo tamin’izany ny vola lafo rehetra […]

Fanafihan-jiolahy : Finday valo sy ordinatera voaroba

Jiolahy fito lahy niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray, tao amin’ny fokontany Mangarano II, parcelle 11/47, kaominina Toamasina, ny alin’ny sabotsy 25 oktobra teo. Nitondra fitaovam-piadiana toy ny basy, nosimbain’ireo olon-dratsy miisa fito lahy ny fanalahidin’ny vavahady, nanao mora ny nahatafidiran’izy ireo tao an-trano. Nanara-maso tany ivelan’ny trano ny namany. […]

Ankorondrano Andrefana : Trano maro kilan’ny afo

An-jatony ireo traboina etsy amin’ny fokontany Ankorondrano Andrefana taorian’ny haintrano, omaly. Niainga tao amin’ny tokantrano iray ny afo, araka ny fanadihadiana. Olona roa may ka voatery nentina teny anivon’ny mpitsabo taorian’ny haintrano teny An­ko­rondrano Andrefana, boriborintany fahatelo, manamorona ny lalamby, ny marain’ny alahady 26 oktobra teo, tamin’ny 9 ora maraina. […]

Fahafatesana mampiahiahy: Vehivavy iray hita faty nilevina teo amoron’ny tatatra

Razana, vehivavy iray 31 taona, hita nilevina teo amoron’ny tatatra amin’ny sakeli-dranon’i Kibay, ao Benitom­pony, fokontany sy kaominina Alatsinainikely, disitrikan’ Analavory, ny talata 21 oktobra lasa teo. Naharay antso avy amin’ny olon-tsotra mahakasika io tranga io ny zandary avy ao amin’ny tobim-patitra Analavory, tamin’ny 09 ora maraina. Nidina ifotony nijery […]