Tranga

Nahazo 24 tapitrisa Ar: Adjidà sandoka tratran’ny zandary

Voasambotry ny zandary ny lehilahy iray nisoloky ho mahatafiditra tanora ho mpitandro filaminana, tao  Antanakoro, distrikan’i  Mananara Avaratra, ny 29 jona teo. Efa nahazo lelavola 24 tapitrisa Ar tamin’ny alalan’ny fisandohana andraikitra izy. Nipetraka tao amin’ny vehivavy iray, tao amin’ny fokontany Androkaroka io lehilahy io, ny avril 2023 lasa teo. […]

Vao nivoaka ny fonja: jiolahy tratra nangalatra moto

Natolotra ny fampanoavana, afakomaly, naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo olona roa (lehilahy sy vehivavy) malaza ratsy amina halatra moto. Ireo polisy miasa ao amin’ ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohija­tovo no nahasambotra ireto mpangalatra moto ireto. Araka ny tatitra nampitain’ny polisy, mampitairana ny olona eny Amba­nidia sy ny manodidina […]