Tranga

Nifandona tamin’ny taxi-be : Olona roa nitaingina moto namoy ny ainy

Mpitondra kodiaran-droa iray namoy ny ainy rehefa nifandona tamin’ny taxi-be, teny amin’ny fokontany An­kazobe, kaominina Alasora, distrikan’Antananarivo Avara­drano, omaly maraina. Nitain­gina moto scooter, lehilahy iray sy vehivavy niaraka taminy ireo tra-doza ireo. Niala bisikileta teo alohany io moto io kinanjo nifatratra tampoka tamin’ny taxi-be izay nifanoha-dalana tamin’izy ireo, araka ny […]

Vondron’orinasa Sodiat : Nanaovan’ny mpitandro filaminana be midina

Nosavaina ireo orinasan’ny mpandraharaha Ravatomanga Mamy, omaly. Naharitra ora valo izany. Nitondra taratasy ara-dalàna ny mpanatanteraka ny baiko teny an-toerana. Notanterahin’ny polisy avy amin’ny Brigade criminelle, omaly, ny fi­savana ny orinasa roa eo anivon’ny Groupe Sodiat an’ny mpandraharaha Ravato­ma­nga Maminiaina. Nahitana ny Madagascar Security Aca­demy (orinasa fanofanana mpi­ambina) sy ny […]

3 tapitrisa Ar lasan’ny jiolahy: Raim-pianakaviana maty voatifitra

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray tany Mangarano II, parcelle 11/47 Carreau 4 A, tany Toamasina, afakomaly tamin’ny 3 ora ma­raina. Nirefodrefotra ny feom-basy. Notafihan’ny jiolahy miisa fito misaron-tava sy mirongo fitaovam-piadiana (basy sy sabatra), ny tokantrano iray. Novakiny ny varavarana ary niditra an-keriny tao amin’io tokantrano io ireo olon-dratsy. Nodarohan’ireo olon-dratsy […]

Natelin’ny ranomasina: Teratany vahiny hita faty

Raim-pianakaviana teratany vahiny hitan’ny fokonolona natsingevan’ny ranomasina tsy lavitry seranan-tsambo, amin’ iny Boulevard Ratsimilaho, omaly atoandro tamin’ny 1 ora. Nilalao ranomasina io lehilahy io ary nanararaotra nilomano mihitsy, araka ny loharanom-baovao. Tsy hita tampoka anefa izy rehefa natelin’ny ranomasina taorian’izay. Minitra vitsy, natsikafon’ny ranomasina moramora ny vatan’io teratany vahiny io […]