Nifampitifitra tamin’ny polisy, jiolahy efa-dahy lavon’ny balan’ny SAG teny amin’ny Art malagasy, ny faran’ny herinandro teo. Ravan’ny polisy ny asa ratsy nataona fikambanan-jiolahy teny Ambohitrimanjaka, ny zoma 21 jona teo. Naharay loharanom-baovao ny ekipan’ny polisim-pirenena eo anivon’ny Sag fa misy andian-jiolahy mitam-basy mikasa hanao fanafihana eny amin’ny manodidina ny Art […]
Tranga
Vono olona: lehilahy maty nokapaina famaky sy voatsatoka antsy
Naratra mafy ny roa lahy ary namoy ny ainy ny namany nandritra ny vono olona tao Tsiroanomandidy. Nandositra avokoa ireo nahavanon-doza. Lehilahy iray voakapa famaky teo amin’ny handriny sady voatsatok’antsy ny tendany, tao Tsararivotra, Fokontany Betaikomby, kaominina ambanivohitra Maritampona, Distrika Tsiroanomandidy, tamin’ny 11 ora maraina teo. Avy namonjy raharaham-panambadiana, nifanehatra […]
Lozam-pifamoivoizana – RN12 : 4×4 nivadika, maty tsy tra-drano ny mpamily
Nandeha mafy, fiara tsy mataho-dalana iray no tra-doza teny amin’ny RN12, ny 19 jona teo tamin’ny 3 ora sy 55 minitra maraina. Niala avy ao Irondro, nikasa ho any Vangaindrano io fiara io. Tsy nahafehy ny familiana tampoka anefa ny mpamily rehefa niditra teo amin’ny tanànan’i Mahazava, fokontany Irondro, kaominina […]
Nanolan-jaza 16 taona: tratra ilay raikely nahavanon-doza
Niaiky heloka, nosamborina ka notanan’ny zandary atao andrimaso ilay lehilahy nanolan-jaza 16 taona tao Andrafitany, fokontany Antamboho, kaominina Ambalavao, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, omaly. Nisy nahatsikaritra ny fihetsika mamoafady nataon’io lehilahy io. Nitaraina rahateo koa ilay ankizivavy niharan’ny fanolanana matetika. Raikeliny ihany no nambarany fa tompon’antoka tamin’ny fanolanana azy. Nanamparan’ireo rangahy io […]
Loza tao an-tsekoly: Ankizy 8 taona maty nianjera
Namoy ny ainy, tra-doza tany an-tsekoly ny ankizivavy valo taona, teny Ambohibao. Nianjera avy eny amin’ny rihana faharoa izy, hoy ny zandary nanontaniana. Nikasa hamonjy fodiana taorian’ny firavana, nianjera tampoka teny amin’ny rihana faharoa tao amin’ny trano fianarany, ny ankizivavy iray tetsy Ambohibao, afakomaly. Nifamonjena teny amin’ny mpitsabo, tsy tana […]