Narian’ireo tsy mataho-tody teo an-tokonam-baravaran’ny renibeny, etsy Antohomadinika ny fatin’i Raissa, zazavavikely vao 8 taona. Naforitra tao anaty gony ny razana efa mangana. Mampihoron-koditra ny zava-misy eto amin’ny tanàna! Zazavavikely iray, antsoina hoe Raissa indray no hita faty tetsy amin’ny fokontany IVO Antohomadinika Atsimo, omaly tamin’ny 11 ora. Novonoina dia […]
Tranga
Tapaka hisatra : Lehilahy iray maty voahitsaky ny taxi-be tetsy Itaosy
Lehilahy iray 50 taona teo ho eo, namoy ny ainy, voadona sy voahitsaky ny fiara taxi-be iray mampitohy an’Itaosy sy Analakely, omaly tamin’ny 5 ora sy fahatelony maraina. Teo amin’ny lalana Anosimasina Itaosy, akaikin’ny Ocada hidina an’Ampasika no nisehoan’ny loza. Nandeha tamin’ ny sisin-dalana ity lasibatra ity no voafaokan’ny fiara. […]
Fanafihana mitam-piadiana : Jiolahy fito naiditra am-ponja
Notanana vonjimaika any am-ponja ny jiolahy fito mpanao fanafihana mitam-piadiana tao Fianarantsoa, afakomaly. Tambajotran-jiolahy roa samy hafa ravan’ny polisim-pirenena tao an-toerana, tao anatin’ny efatr’andro. Naharay fitarainana maro ny sampandraharaha manokana eo anivon’ny ny polisy momba ny tranga tsy fandriampahalemana. Mitam-basy ireo mpanao ratsy ka nandroba tokantrano sady nanendaka. Nanao hetsika […]
Niakatra tosidra tampoka : Mpamily taksiborosy torana teo ambony familiana
Safotra tampoka sy nahatsiaro ho fanina teny am-pandehanana, teo amin’ny toerana antsoina hoe: Sahavalaina (70 km tsy hidirana an’i Toamasina), ny mpamily iray, omaly hariva. Nitondra fiara taksiborosy avy aty Antananarivo hihazo an’i Toamasina izy tamin’io. “Najanona ny fiara ary torana sy nikainkona ny tanany sy ny tongony”, hoy i […]
Nanaparitaka horonantsary mamoafady : Teratany vahiny naiditra am-ponja ao Mahajanga
Notanana am-ponja vonjimaika ao Marofoto Mahajanga ny teratany vahiny iray 69 taona, tratra nanaparitaka sary mamoafady, ny 7 mey teo. Voasambotry ny polisy miady amin’ny heloka ana habaka taorian’ny fiaraha-miasan’izy ireo sy ny fikambana “Child Rescue Coalition” any Etazonia, io lehilahy io. Naharay loharanom-baovao ny polisy fa misy olona mivelona […]