Tranga

Ankadikely Ilafy Jiolahy valo nanafika

Ravan’ny mpitandro filaminana miasa ao Avaradrano ny fanafihan-jiolahy niseho tao amin’ny fokontany Antsapan­drano, kaominina Ankadikely Ilafy, distrika Avaradrano, ny marain’ny alatsinainy 14 septambra teo. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika, nisaron-tava, ireo mpanao ratsy, araka ny loharanom-baovao. Nosikirin’izy ireo ny varavaran’ny trano tao amin’ilay to­kantrano nokasainy hotafihina. Nanapoaka basy ireo jiolahy nentina […]

Karohina ny vadiny: vehivavy iray maty voatsatoka antsy

Maty voatsidron’antsy teo amin’ny fony ny renim-pianakaviana iray tany Analatsifaka Soanierana, omaly maraina. Karohina fatratra, ahina ho tompon’antoka tamin’izao vono olona izao, ny vadiny. Naheno antso vonjy tao amin’ilay tokantrano ireo mponina nefa izy mivady irery no tao an-trano. Renim-pianakaviana iray, 32 taona, indray no maty voatsatok’antsy tao an-tranony, tao […]

Lozam-pifamoivoizana tetsy Ambohidahy: naiditra am-ponja eny Antanimora ilay mpamily

Niakatra fampanoavana omaly, teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, ny raharaha mahakasika ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona niseho tetsy amin’ny tonelina Ambohidahy, ny talata 8 septambra teo. Taorian’ny fakana am-bavany, nataon’ny mpitsara azy, nai­ditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora ilay mpamily, mandra-piandry ny fotoam-pitsarana. Fantatra fa ny 13 oktobra 2026 ho avy […]

Fonja Ambalatavoahangy: voafonja 278 nahazo fanalefahan-tsazy

Voafonja miisa 278 ao amin’ny fonjan’Ambalata­voahangy, kaominina Toamasina, no voakasika tamin’ny fanalefahan-tsazy avy amin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena, ny 26 jona lasa teo. Taorian’ny didy fampiharana ny famotsoran-keloka na ny fampihenan-tsazy, voafonja miisa 75 no nivoaka ny fonja, ny 28 aogositra lasa teo. Samy manana ny […]

Ambohidratrimo Zaza 3 taona maty notorahan-drainy biriky

Nialan’ny mpitsabo nenina, tsy tana ny ain’ny zazavavy telo taona notorahan’ny rainy biriky tao Ambatomainty, kaominina Iarinarivo, distrika Ambohidratrimo, ny alahady 6 septambra lasa teo. Nifamaly tao an-trano ny ray sy reny niteraka azy, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana. Nosimbain-drangahy avokoa ny entana tao an-trano, ny harivan’ny sabotsy […]