Tranga

Fakana an-keriny: Avotra ilay raim-pianakaviana takalonaina

Nataon’ny mpitandro filaminana hazalambo, tanaty haizina, ny andian-dahalo mpaka an-keriny tao amin’ny fokontany Ambohitranivo, kaominina Brieville, distrikan’i Tsaratanàna, afakomaly alina tamin’ny 10 ora sy 45 minitra. Dahalo enin-dahy, nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika niditra an-keriny tamina tokantrano iray. Tsy nisy alaharo, nanambana basy ary naka ilay raim-pianakaviana 35 taona tao amin’io […]

Raharaha fitsaram-bahoaka : Naiditra am-ponja ny dimy voarohirohy

Naiditra vonjimaika am-ponja any Ambalatavoahangy ireo olona dimy voarohirohy tamin’ny famonoana ilay tovolahy 21 taona (Sergino), maty niharan’ny fitsaram-bahoaka tany Toamasina, ny alarobia 2 avrily lasa teo. Eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana kosa ny telo mianadahy ambiny, anisan’izany ny sefo fokontany ao Mangarivotra Avaratra, Parcelle 11/14. Fantatra ireo taorian’ny fiakarana’izy ireo […]

Fifaninanana hazakazaka : Atleta maty latsaka tany anaty hantsana

Maty teo am-pifaninanana mihazakazaka, afakomaly, ny atleta iray. Tsy niara-tonga tamin’ny mpifaninana izy tamin’ny fotoanan’ny famaranana, namoy ny ainy. Nianjera tampoka avy eny ambony hantsana, namoy ny ainy, ny iray tamin’ireo mpifaninana nandray anjara tamin’ny hazakazaka “Trail Ibity andiany faha-9”. Nitranga izany tao amin’ny amin’ny fokontany Ambarina­kanga, kaominina Ibity, dis­trikan’Antsirabe […]

Jiolahy mpampihorohoro: Lavon’ny balan’ny zandary i Sambitanae

Lavon’ny balan’ny zandary omaly tamin’ny 11 ora maraina ny jiolahy raindahiny antsoina hoe: Sambitanae. Anisan’ireo dahalo mpampihorohoro ny mponina any an-toerana izy io. Nahazo antso avy tamin’ny ben’ny Tanàna tany Ankiririky ny Zandary, omaly tamin’ny 10 ora maraina. Fantatra fa mihaodihaody ao amin’ny fokontany Ankiririky III ity olon-dratsy ity. Miantso […]

Ambohidrapeto : Lehilahy nanambana basy voasambotra

Notanan’ny zandary ny lehilahy nahatrarana basy teny amin’ny fokontany Ambo­diampanga Antanetibe, Am­bo­hi­dra­peto, distrikan’Atsimondrano, ny 3 avrily tamin’ny 7 ora sy sasany hariva. Nitrangana fifamaliana teo amin’io lehilahy io sy ny olon-tsotra hafa. Tsy nijanona tamin’ny fanaovana vava sy fampitahorana izany. Nandra­hona hamoaka fitaovam-piadiana ilay lehilahy. Nam­banany tamin’ny basy tokoa ilay […]