Tohin’ny fanafihana nitranga tamin’ny tsena mpamongady iray teny Ambodivoanjo, kaominina Alasora, afakomaly hariva, izay navoaka teto. Olona efatra voasambotry ny mpitandro filaminana taorian’ny fanarahan-dia sy sakana nataon’izy ireo, omaly alina. Tazomina vonjimaika sy miatrika fanadihadiana eny amin’ny Brigade criminelle Anosy ireo olona tratra hatramin’izao. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny […]
Tranga
Roa lahy voasambotra : Nahatrarana vola sandoka 3 tapitrisa Ariary
Lehilahy miisa roa avy ao Anteninambo, fokontany Sandrangato, kaominina Roraly Ambodilazana, saron’ny zandary avy amin’ny tobim-paritra Toamasina, afakomaly 26 jolay 2026. Nahatrarana vola sandoka mitentina 3 405 000 Ariary teny amin’izy ireo. Nahitana 20 000 Ar miisa 54 sy 5 000Ar 465 isa ireo vola tsy tena izy. Tratra teny amin’izy ireo […]
Tovolahy maty voatifitra ; Saika nodoran’ny olona ny biraon’ny polisy
Nikasa hanimba ny biraon’ny kaomisaria tao Ambohimahasoa ny vahoaka, omaly. Tezitra noho ny fahafatesan’ny tovolahy voatifitra izy ireo. Andaniny, voalaza fa saika hamaky trano ity maty. Ankilany, notifirin’ny polisy mamo izy. Nidina an-dalambe nilanja sorabaventy sy nandoro kodiarana ary nanao sakan-dalana ny mponina any Ambohimahasoa, omaly. Nirohotra nihazo ny biraon’ny […]
Fiarabe sy moto nifandona : Mpivady niara-maty notetezin’ny kodiarana
Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tany amin’ny lalam-pirenena faharoa, afakomaly tamin’ny 02 ora sy 40 minitra tolakandro. Nifandona mafy teo amin’ny sampanan-dalana mivily mankany Ambatovy sy lalana migodana Tanandava ny moto sy ny fiarabe. Noho ny hamafin’ny fifandonana, nipitika avy teny ambony moto ireo mpivady ka nitrosona mafy tamin’ny arabe, avy […]
Alasora : Dahalo miisa 8 nanafika tranombarotra iray
Nitrangana fanafihana mitam-piadiana teny Ambohidrazaka, Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano, omaly alina. Jiolahy manodidina ny 5 hatramin’ny 8 teo ireo tonga nanafika tranombarotra mpamongady iray teny an-toerana. Mirongo fitaovam-piadiana toy ny basimborona sy antsy ireo olon-dratsy, raha ny fanazavana voaray. Nanapoaka basy indroa ireo jiolahy ireo nandritra izany. Tao anaty haizina tanteraka […]




