Hentitra ny fanjakana amin’ny fanondranana tsy ara-dalàna ny harem-pirenena eto amintsika. Omaly, vehivavy, Malagasy iray, saika handray sidina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato no tratra niaraka tamin’ny volamena milanja 5,75 kg. Tsy nandalo fitsirihana araka ny fenitra tokony ho izy ny valizy nanafenany ireo volamena fa nalefa avy hatrany tany anaty […]
Tranga
Anosipatrana: mpangalatra moto voatora-bato
Nandositra nikasa hiampita ny ranon’Ikopa, voasambotry ny fokonolona ka natolotra ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray mpangalatra moto teny Anosipatrana, omaly maraina. Moto an’olon-tsotra napetraka teo amin’ny toerana voatokana sady andoavam-bola ity nokasain’ny olon-dratsy hangalarina ity. Tsy nampoiziny, niverina tampoka ny tompon’ny moto. Nahita ny fihetsik’ity olon-dratsy ity izy. Nandositra […]
Zom-pirenen’ny filoha teo aloha: mitory an-dRajoelina Andry ny eo anivon’ny Primatiora
Nametraka fitoriana mahakasika ny zom-pirenen’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, eny amin’ny Pac ny eo anivon’ny Primatiora. “Manomboka ny fanadihadiana mahakasika izany”, hoy ny Tonia mpampanoa lalàna ambony, Manjany Bienvenu. Hanomboka ny fanadihadiana mahakasika ny raharaha zom-pirenen’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Nipetraka ho mpitory amin’izany ny fitaleavana misahana ny […]
Namono pasitera: naiditra am-ponja ireo mpianaka voarohirohy
Niakatra teny anivon’ny fampanoavana, ao Tsiroanomandidy, omaly, ireo mpianaka (raim-pianakaviana sy ny zanany lahy) voarohirohy ho namono nahafaty pasitera iray tany an-toerana, ny alatsinainy teo. Naiditra vonjimaika eny am-ponja avokoa, taorian’ny fihainoan’ny mpitsara azy, izy mianaka. Famonoana olona sy firaisana tsikombakomba ny loham-piampangana hanenjehana azy ireo. Voasambotry ny polisy avy […]
Telo lahy nivarotra cocaïne: migadra, nogiazana ny 80 tapitrisa Ar
Niakatra fampanoavana tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, notanana am-ponja ireo telo lahy nahatrarana rongony mahery vaika cocaïne tao Sambava. Manoloana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, naharay loharanom-baovao momba ny fisiana olona mivarotra ity karazan-drongony ity ny mpitandro filaminana. Voasambotra ireo olona miisa telo voarohirohy, ny alatsinainy 7 septambra lasa teo. Natao ny […]





