Tranga

Toamasina II : ripaky ny mpamaky trano ny akoho amam-borona

Tsy mifidy intsony! Miron­gatra ny halatra arahina vaky trano taorian’ny ranobe mangeniheny nentin’ilay rivodoza Gamane tao Toamasina. Lasi­batry ny asan-jiolahy ny distrikan’i Toamasina II, amin’izao fotoana izao. Lasan’ireo mpan­­­galatra hatramin’ny akoho amam-borona fa tsy mifidy hangalarina intsony ireo jio­lahy. Sahirana tanteraka ny ankamaroan’ny mponina ao an-toerana noho ny takaitra navelan’ny […]

Maroantsetra : mpidoroka 24 naiditra am-ponja

Naiditra am-ponja avokoa, miandry ny fitsarana azy, ireo 24 mianadahy voasambotry ny polisim-pirenena tao Maroan­tsetra, ny talata 9 avrily teo. Manoloana ny fironan’ny tanora amin’ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fiparitahan’ izany ao an-toerana, nanao fisafoana teny ifotony ny polisy. Tratra tamin’izany ny lehilahy iray malaza ratsy mivarotra rongony. Noraisim-potsiny niaraka […]

Telo andro nisesy : zaza telo matin’ny lozam-pifamoivoizana

Nanao tohivakana ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain-jaza tao anatin’ny telo andro. Zaza iray enin-taona maty tsy tra-drano, omaly. Zazavavy kely enin-taona maty voafaokan’ny taksiborosy tao Ambalafary, RN32, 10 km avaratra andrefan’i Mandritsara, omaly ma­raina. “Nandeha tamin’ny toerana misy tsena ka niampita tampoka ilay zaza”, hoy ny loharanom-boavao any an-toerana. Tamin’io fotoana […]

Nandriaka ny ra teny By-Pass : mpitondra moto maty voahitsaky ny kamiaobe

Mampihoron-koditra ! Nitrangana lozam-piarakodia indray teny By-Pass, ny alarobia teo. Raim-pianakaviana iray manodidina ny 30 taona nitondra moto no maty voahi­tsaky ny kamiaobe. Nandriaka tamin’ny arabe ny ra. Vaky ny lohany, nipotsaka ny tsinainy. Araka ny fitantaran’ireo olona nahita maso ny fitrangan’ny loza, nisongona fiara teo aloha ity raim-pianakaviana mpitondra moto […]

Fanafihan-jiolahy: mpianaka lasan’ ny mpaka an-keriny

Nentin’ny jiolahy nitam-piadiana ny vehivavy sy zaza manodidina ny 12 taona tao amin’ny fokontany Ampasimandroro, kaominina Maintirano, faritra Melaky, ny alin’ny talata 09 avrily teo tamin’ny 11 ora sy sasany. Jiolahy manodidina ny folo lahy no niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray tao tapon-tanàna. Nitondra zava-maranitra toy ny antsy, nanambana […]