Notanan’ny zandarimariam-pirenena ny lehilahy mpivarotra zava-mahadomelina iray tratra tao Ampefiloha, fokontany Antanantanana, kaominina Iarinarivo, distrika Ambohidratrimo, omaly. Nanao angom-baovao teny an-toerana, manoloana ny fisiana olona manaparitaka rongony ny solontenan’ny zandary. Nidina ifotony tampoka nanao fisavana ny tokantrano voatondro ho mpivarotra eny amin’io fokontany voatondro io izy ireo. Tsy afa-nanda, nahitan’ny […]
Tranga
Fanonganana ny ben’ny Tanàna : Nifamono ny olona, am-polony ireo naratra tetsy Anosizato
Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny mpanohana ny ben’ny Tanàna ao amin’ny kaominina Anosizato Andrefana sy ny mpitaky ny hialany, omaly. Am-polony ireo naratra teo amin’ny loha vokatry ny tora-bato sy ny daroka nataon’ny samy mponina. Misesisesy ny fidinana an-dalambe ataon’ny olona, amin’ny fanalana sy fanonganana ny ben’ny Tanàna, raha ny […]
Lozam-pifamoivoizana : Lehilahy iray voadonan’ny 4×4
Nitrangana lozam-pifamoivoizana naharatrana raim-pianakaviana iray teo am-panaovana ny asany, tao amin’ny toerana fanaovany “soudure”, tao amin’ny fokontany Morafeno, Toamasina, ny tolakandron’ny talata teo, tokony ho tamin’ny 2 ora. Voatrongin’ilay fiara ny garazy sy vavahady ary voatsindry tao ny moto iray teo amin’ny sisin-dalana. Raha ny angom-baovao, hanatitra mpianatra mihitsy ity […]
Fomba fiasa vaovaon’ny polisy : Hiompana amin’ny fanabeazana hanara-dalàna
Mametraka fomba fijery sy fiasa vaovao ny polisim-pirenena manoloana ny fihavaozana sy fanarenana tanteraka apetraky ny filohan’ny Fanavaozana ny Repobikan’i Madagasikara. “Anisan’ny ezaka ataon’izy ireo ny fahazoana vokatra tadiavin’ny vahoaka, izany hoe, ny hisian’ny filaminana”, hoy ny tale jeneralin’ny polisy, ny Commissaire divisionnaire de police Tsaramonina Ravony, raha nitafa tamin’ny […]
Ankazomanga: Lehilahy tratra nanao sinto-mahery
Lehilahy iray voasambotry ny polisy tetsy Ankazomanga, afakomaly maraina, tokony ho tamin’ny 8 ora. Tratra teo am-panaovana sinto-mahery teo amin’ny mpanao Cash point iray teny an-toerana izy tamin’io fotoana io. Nisy olona iray nametraka vola manodidina ny 3 hetsy Ariary tamin’ny Cash point iray teny an-toerana. Nanamarina ny vola ny […]





