Tovolahy iray manodidina ny 22 taona hita faty tao an-trano fonenany, ao amin’ny fokontany Miarina Talata, Andraikiba, disitrika Antsirabe, omaly maraina. Tsy hitan’ny olona teny amin’ny manodidina. Nivoaka ny trano mihitsy izy io nanomboka ny alarobia 12 novambra 2025 lasa teo. Nihidy foana ny trano fonenany nandritra ny tontolo andro. […]
Tranga
Lalam-baovao Ambohitrimanjaka : Raim-pianakaviana nitondra bisikileta maty voadonan’ny fiara
Fiarakely iray, marika Ford, nanitsaka olona tetsy amin’ny fokontany Anosibe Zaivola, Lalam-baovao mihazo an’Ambohitrimanjaka, omaly maraina. Maty tsy tra-drano vokatr’izany ny raim-pianakaviana iray nitondra bisikileta. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ny Lalam-baovao mihazo an’Ambohitrimanjaka, anatin’ny fokontany Anosibe Zaivola, boriborintany fahenina, omaly tamin’ny 9 ora maraina. Afaka kely ny tetezana […]
Tototry ny tany : Mpitrandraka volamena namoy ny ainy
Olona efatra nifamonjena, nihotsahan’ny tany, tao amin’ny karieram-bolamena iray ao amin’ny tanànan’ Ambohinihaonana, distrikan’Ifanadiana, ny talata 11 novambra teo. Mivelona amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, toy ny volamena, ireo olona lasibatra. Nanorana matetika ny andro tao anatin’ny herinandro, nitohy hatrany anefa ny asa andavanandron’ireo mpivelona amin’ny fitrandrahana tao an-toerana. Nihotsaka […]
Notsindromina antsy : Ramatoa iray hita faty tao an-trano nihidy
Renim-pianakaviana iray hita faty tao an-tranony, ao Tanambao Bitavolo, kaominina Ampasina Maningory, disitrikan’i Fenoarivo Atsinanana, ny talata lasa teo. Nihidy avy any ivelany ny trano ka nosokafana. Vatana mangatsiaka efa nihoson-dra teo ambony fandriana no hitan’ny fianakaviana. Nahitana tsatoka antsy maro ny vatany, nandritra ny fizahana ny razana nataon’ny mpitsabo […]
Fanolanana zaza: Mpivady niara naiditra am-ponja
Niara-naiditra am-ponja izy mivady noho ny firaisana tsikombakomba tamin’ny fanolanan-jaza tany Miarinarivo. Tovolahy iray kosa migadra 5 taona noho ny fanolanana, tetsy Ankazomanga. Voaheloka higadra dimy taona an-tranomaizina, sazy mihatra, omaly, ny tovolahy nanolan-jaza tsy ampy taona tetsy Ankazomanga. Niakatra fitsarana tetsy amin’ ny Lapan’ny fitsarana Anosy ny raharaha momba […]





