Tranga

Antehiroka Ambohibao : Maty ilay voatifitra teo amin’ny kibony

Namoy ny ainy, afakomaly, ny lehilahy iray, voan’ny bala teo amin’ny kibony. Anisan’ny lasibatra nandritra ny fifampitifirana teny Andranoro ny tenany. Tsy tana ny alin’ny alarobia 5 novambra teo ny ain’i Nekena, tovolahy voan’ny bala teo amin’ny kibony nandritra ny savorovoro teny amin’ny fokontany Andra­noro, kaominina Antehiroka Ambohibao, ny alin’ny […]

Famonoana an-rRasazy Narindra : Olona telo voaheloka higadra 20 taona

Niakatra fitsarana teo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, efitrano fa­hefatra, omaly, ny raharaha ma­hakasika ny famonoana ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Mangataboahangy, ny 21 febroary 2025 lasa teo. Na­nomboka tamin’ny 9 ora, ha­tramin’ny 6 ora hariva ny fihainoana ireo olona 18 voampanga sy voarohirohy tamin’ity raharaha ity. Taorian’ny fihainoana ny rehetra, […]

Fandrindrana ny fifamoivoizana : Miato ny fisavana ataon’ny polisy an-dalambe

Miatrana eny an-kianja hatrany saingy miato ny fisavana an-dalambe ataon’ny polisy misahana ny fifamoivoizana, araka ny naoty nivoaka teo anivon’ny polisim-pirenena, omaly. Mifototra amin’ny fampiharana ny asa amin’ny ankapobeny, toy ny fampanarahan-dalàna sy fa­nentanana ny vahoaka hanara-dalàna ny polisim-pirenena. Tsy hisy, mandritra ny fotoana tsy voafaritra, ny fisavana ma­hazatra ataon’ireo […]

Ranomasin’i Katsepy: Tafakatra 14 ireo razana hita

Nitombo ho 14 ny isan’ireo maty an-drano, hita tany amin’ ny fokontany Antrema, kaominina ambanivohitra Ka­tsepy, distrikan’i Mitsinjo, faritra Boeny, hatramin’ny omaly ma­raina. Hita tany amin’ny fari-dranomasin’ny Grand pa­vois Mahajanga ny roa, raha tany Marohala kosa ny iray hafa. Naterina any amin’ny tranom-paty CHR Androva ireo ra­zana hita ireo. Marihina fa […]