Tranga

Fifandonana tamin’ny mpaka an-keriny : miaramila roa naratra, dahalo roa maty

Nifanehatra tamin’ny zandary indray ny andian-dahalo tao Ankazobe, afakomaly. Miaramila roa naratra ary dahalo roa kosa no maty. Dahalo 20 lahy eo ho eo notarihin’i Leba sy i Sa­fi­dy no nifandona tamin’ ny zandary tao amin’ny fokontany Antaniditra kaominina Antakavana distrikan’Anka­zo­be, afakomaly maraina. Fantatra fa isan’ireo dahalo raindahiny amin’ny fakana […]

Fifandonana mahery vaika : dahalo telo lavo, omby 50 tafaverina

Nirefodrefotra ny basy! Dahalo telo maty ary telo naratra vokatry ny fifandonana mahery vaika tao amin’ny kaominina Mahabe, distrikan’i Besalampy, afakomaly. Nana­fika tao amin’ny fokontany Andabozato ny dahalo 40 lahy nitam-piadiana. Norobain’izy ireo ny omby 50 ka nentiny nandositra. Nanara-dia nanao izay ho afany nanenjika ireo mpandroba ny fokonolona sy […]

Itaosy: vehivavy roa nahatrarana rongony

Mpivarotra rongony roa vavy nosamborin’ny polisy teny Itaosy nandritra ny hetsika “Sarika”, ny faran’ny herinandro teo. Nanao be midina ny polisy ka sarona teo am-pikirakirana zava-mahadomelina izy roa ireo. Efa nataony anaty fonosana 42 ny rongony. Ankoatra io, nahatrarana rongony tao anaty harona miisa telo koa tao amin’izy mirahavavy ireo. […]