Tranga

Tompon-trano maty voatifitra : Lasan’ireo jiolahy ny vola 3 tapitrisa Ariary

Notafihan’ny jiolahy miisa valo, misaro-tava sy mirongo fitaovam-piadiana toy ny basy sy sabatra ny tokantrano iray any Kiembe-Haut Toliara, omaly tamin’ny 1 ora maraina. Raim-pianakaviana iray maty voatifitra tamin’izany. Lasan’ ireo olon-dratsy nandritra iza­ny ny vola mitentina 3 tapitrisa Ar mahery sy ny finday tao an-trano. Naratra mafy, voadaroky ny […]

Fiondranana antsokosoko : Malagasy 13 tratra saika hihazo an’i Mayotte

Hiatrika fampanoavana, anio, ireo Malagasy miisa 13 nikasa hiondrana antsokosoko any amin’ny Nosy rahavavy Mayotte saron’ny zandary tao amin’ny fokontany Mahamaniny, kaominina Antsakoamandro, distrika Ambanja. Naharay loharanom-baovao momba ny fisiana andian’olona mikasa hiondrana antsokosoko ny mpitandro filaminana miasa ao Ambanja. Tsy manana fahazoan-dalana hivoaka ny sisintany ary hiditra amin’io nosy […]

Nisy namono : Tovolahy iray hita faty tao anaty rano

Tovolahy iray 26 taona no hita faty teny amin’ny reniranon’Andrianambo, fokontany Ambatomitsangana, kaominina ambanivohitr’Ambohitrabiby, distrikan’Avaradrano, omaly. Ahina ho nisy namono izy, raha ny tombantombana nataon’ny fianakaviany… Tsy mbola fantatra mazava aloha hatreto ny antony nahafaty azy fa ahina ho nisy namono, raha ny fitantaran’ny fianakaviany. Efa fanaony ny mody somary […]