Fiarabe mpitatitra iray nanitsaka olona tany Moramanga, omaly. Maty tsy tra-drano, vokatr’izany, ny vehivavy iray nitondra bisikileta. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany amin’ ny lalam-pirenena faharoa, omaly tokony ho tamin’ny 5 ora sy fahefany hariva. Nitranga teo alohan’ny sekolim-pinoana iray ao Moramanga ny loza. Vehivavy iray manodidina ny 30 […]
Tranga
Andian-jatovo nifamono : Tovolahy roa namoy ny ainy
Raikitra ny sakoroka tao amin’ny efitranon-danonana, ao amin’ny fokotany Ranomena, komininina Toamasina, ny alin’ny asabotsy 8 novambra hifoha ny alahady teo. Nifamaly noho ny resa-behivavy ireo roa lahy. Naharitra izany ka niditra an-tsehatra ny akaman’ ireo mpifanandrina, andaniny sy ankilany. Vokatr’ izay, raikitra ny fifandratrana. Voadaroka mafy, naratra ka tsy tanà […]
Tambajotra Qnet : Olona 25 voasambotra, nisoloky 3 tapitrisa Ariary
Mahatratra 25 ireo olona voasambotry ny polisy ao Mahasalama, Port-Bergé, faritra Sofia, nanomboka ny volana oktobra hatramin’ity volana novambra ity. Voasambotra ny 03 novambra lasa teo ny valo amin’izy ireo. Izay nahitana mpitantana telo sy mpikambana dimy. Voarohirohy amin’ny asa fisolokiana ao anatin’ny tambajotra Qnet izy ireo. Tambajotra malaza amin’ny […]
Ambohimanambola : Maty voatifitra ireo telo lahy nanafika mpandraharaha
Nifanenjehin’ny mpitandro filaminana, maty voatifitra ny telo tamin’ireo jiolahy dimy saika hanafika teny Ambohimanambola. Nirefodrefotra ny basy teny amin’ny fokontany Ambilomaro, kaominina Ambohimanambola, ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 9 novambra lasa teo. Naharay angom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo ny zandarimaria miasa eo anivon’ny tobim-paritra Ambohimanambola fa misy andian-jiolahy mikononkonona […]
Fiara tra-doza teny amin’ny RN2: Maty tsy tra-drano ilay mpamily
Namoizana ain’olona iray indray teny anivon’ny lalam-pirenena faharoa, teo amin’ny sampanan-dalana Galois Ampasimadinika, Toamasina II, faritra Atsinanana, omaly. Fiara an’olon-tsotra marika Hyundai, niloko maitso, nisongona kamiao mpitatitra entana, araka ny fitantaran’ny nanatri-maso. Tsy nanampo na inona na inona, araka izany, ny mpamily io fiara io, kinanjo nifanehatra tampoka tamin’ny kamiao […]





