Mitohy ny fisamborana ireo mpanao ratsy. Lehilahy miisa telo, avy nangalatra kisoa voasambotry ny polisim-pirenena avy any Imerintsiatosika, afakomaly maraina. Nahatsikaritra olona nivezivezy tao Ambohijanadralambo Imerintsiatosika ny mponina. Nampiahiahy sy hafahafa ny fihetsik’ireto olona ireto, izay nilanja gony, ka nampandre ny polisim-pirenena avy hatrany ny fokonolona. Tsy niandry ela, tonga […]
Tranga
Mpamily mamo : Olona roa maty voadonan’ny fiara
Misesisesy ny lozam-pifamoivoizana namoizan’aina olona tato ho ato. Olona roa samy hafa no maty voadona sy voahitsaky ny fiara ny sabotsy lasa teo. Maty voadonan’ny fiara ny ramatoa iray, ary voahitsaky ny fiarabe mpitatitra ny lehilahy iray hafa. Nahavoadoana olona mianaka teo amin’ny amin’ny lalana mankany amin’ny Zahamotel hiditra ny […]
Folo lahy nanafika: Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana
Namoy ny ainy vokatry ny hataraina tampoka, taorian’ny fanafihan-jiolahy tao an-tranony, ny raim-pianakaviana iray efa taizan’aretina tao Mangarano II, parcelle 11/47, Toamasina, omaly. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray, ao amin’io fokontany io, ny jiolahy miisa telo tsy nisy nisaron-tava, ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma 8 aogositra teo. « Miisa […]
Andoharanofotsy : Mpamaky fiara voasambotra
Voasambotry ny mpitandro filaminana ny lehilahy mpamaky fiara ao Mandrimena, kaominina Andoharanofotsy, ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma 8 aogositra teo. Nitsaitsaika nandroba ny fiara iray io lehilahy io. Novakiany ny jiro lehibe teo aloha ka nanao mora ny nangalany ny “batterie” niampy ny “auto-radio”. Tazan’ny mpiasa amin’ny toeram-pamatsiana solika […]
Andavamamba Anjezika I : Lehilahy hita faty tao anaty rano
Nahitana fatin-dehilahy efa simba tao anatin’ny lakandrano Andriantany, tetsy Andavamamba Anjezika I, omaly. Tsy nisy nahafantarana azy afa-tsy ny akanjo nanaovany sisa. Nahatsikarika fatin’olona iray tao anatin’ny lakandrano Andriantany, fokontany Andavamamba Anjezika I ireo mpaka tsikafona, omaly atoandro tamin’ny 11 ora. Nampandre ny mponina sy ny tomponandraikitra avy hatrany izy […]




