Tranga

Ady tany nitera-doza : Telo mianaka voafira antsy, olona 5 voasambotra

Notanana atao andrimaso eny anivon’ny zandarimaria ireo dimy lahy nandratra telo mianaka vokatry ny ady tany tao amin’ny fokontany Maha­zina, kaominina Ilaka Centre, distrikan’Ambositra, ny alatsinainy maraina tamin’ny 9 ora. Nitrangana disadisa teo amin’ ny fianakaviana roa samy hafa monina anatin’io fokon­tany io. Nijinja vary teny an-tsaha ilay fianakaviana iray. […]

Efatra maty teny By-Pass : Nalefa eny Tsiafahy ilay sinoa, mpamily

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy, omaly, ilay sinoa, mpamily, nahafaty olona efatra teny By-Pass. Lozam-pifamoivoizana nitranga ny alin’ny faha-30 avrily. Enina andro taty aorian’ ny nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tetsy akaikin’ny kianja Elgeco plus By-Pass, nahafatesan’olona efatra, ny 30 avrily lasa teo. Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjaben Tsia­fahy, omaly, mandra-piandry ny […]

Mpiasa an-trano tetsy Ambohijanaka : Nanorenany tokantrano ireo entana nangalariny

Lehilahy sy vehivavy roa voasambotry ny zandarimaria miasa eo anivon’ny tobim-paritra Andoharanofotsy, afakomaly. Nitokisan’ny mpampiasa azy nandritra ny telo taona io lehilahy io. Na­hatsapa fahabangan’ny entana tao an-trano anefa ny tompon-trano. Nihena tsikelikely ireo fitaovana tao an-tokantrano. Nanjavona hatramin’ny kidoro sy lovia. Nampiahiahy azy rahateo ny fihetsik’io lehilahy mpiasa tao […]

Ambodin’Isotry: Lehilahy iray tratra nanao sinto-mahery

Voasambotry ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny kaomisaria Isotry, ny lehilahy iray 23 taona, afakomaly ta­min’ny 7 ora sy 45 minitra. Tratra nanao sinto-mahery findain’olona teo akaikin’ny Bazar-Ma Ambodin’Isotry izy io. Efa nisy polisy nanao fanamiana sivily nanara-maso teny amin’ny manodidina ka nahafahana nisambotra ity farany. Nisy olona lasibatry ny […]