Tranga

Famonoana an’i Sahala : Mpifankatia sy lehilahy roa nanatanteraka ny sorona

Fantatra fa mpifankatia no niara-namono an’i Sahala. Niray tsikombakomba taminy ny lehilahy roa hafa. Nirahin’ny mpimasy iray izy ireo ary nokaramaina nitady zazavavy atao sorona ka i Sahala no tojo azy ireo. Taorian’ny filazan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madaga­sikara, Randrianirina Michaël, fa maty natao sorona i Sahala Fanekena, zazavavy 14 […]

Anosipatrana: Zazavavy efatra taona, maty naolan’ny rainy

Namoy ny ainy, afakomaly alina, ny zazavavikely vao efa-taona monja, monina etsy Anosipatrana, rehefa naolan’ny rainy niteraka azy. Simba tanteraka ny Mahavehivavy azy ary notsetsemana sponjy, raha ny fanazavan’ny fianakaviany. Nitaraina ho narary kibo ilay zaza tao anatin’ny iray volana ka tsy maintsy naiditra hopitaly. Fantatra, nandritra ny fizahan’ny mpitsabo, […]

Hala-jaza sy vono olona: “Natao sorona i Sahala”, hoy ny Kly Randrianirina Michaël

Fantatra izao fa natao sorona i Sahala, ilay zazavavikely tsy hita tetsy Ampefiloha Ambodirano. Nanambara izany ny Filohan’ny Fanavaozana. Etsy ankilany, manao fitsaram-bahoaka avy hatrany amin’izay tratra ny fokonolona, toy ny tany Ambositra. Efa tratra ny olona namono an’i Sahala, zazavavikely 12 taona, tsy hita tetsy Ampefiloha Ambodirano, ny alatsinainy […]

Andrefan’i Mananjara ; Mpangalatra voasambotry ny fokonolona

Lehilahy iray malaza ratsy amin’ny asa fanendahana sy famakiana trano, voasambotry ny fokonolona sy ny Vao­mieran’ny fandriampahalemana teny Paraky, Andrefan’i Mananjara, ny alatsinainy hariva, tamin’ny 5 ora teo ho eo. Niakatra avy eny ambaravakelin’ny tokantrano iray izy ary nalainy tao ny fahitalavitra iray. Nahatsikaritra izany ny fokonolona eny amin’ny ma­nodidina […]

Ambositra ; Hita faty i Larissa

Nisy namono i Larissa ilay zaza very tao Ambositra, ny volana avrily lasa teo. Rehefa nanao ombay mitady tamin’ny tambajotran-tserasera ny ray aman-dreniny, dia hita omaly ny razana. Nataon’ireo tsy mataho-tody tao anaty gony, avy eo natsipy tany anaty lavapiringa. Olona efatra no voasambotra sy naiditra am-ponja tamin’ity raharaha ity. […]