Tranga

Dokotera iray naiditra am-ponja: ”Saika handoro an’i Tsiafahy”, hoy ny mpampanoa lalàna

Naiditra am-ponja ny olona fito, voalaza fa nikasa ny handoro ny fonjaben’i Tsiafahy. ”Mbola saika hampandositra ny kolonely Rakotomamonjy Patrick koa izy ireo”, hoy ny mpampanoa lalàna , Rakotoniaina Narindra Navalona, omaly. Nisy saika handoro ny fonjaben’i Tsiafahy, ny alahady 23 aogositra lasa teo.  Voarohirohy tamin’izany ny olona fito ka […]

Herisetra an-tokantrano: renim-pianakaviana roa namoy ny ainy

Vehivavy roa samy namoy ny ainy vokatry ny herisetra nahazo azy. Renim-pianakaviana iray vao 20 taona monja tsy tana ny ainy, tao amin’ny fokontany Soamiarana, kaominina Arivonimamo, ny alin’ny talata 8 septambra teo, tamin’ny 8 ora.  Nahitana dian’antsy maromaro tamin’ny vatan’ity vehivavy ity, tamin’ny fotoana namonjen’ny fianakaviany azy tao amin’ny […]

Halatra moto: telo lahy naiditra am-ponja

Nanao sakan-dalana amin’ny alina teny amin’ny fokontany Vahilava, distrikan’Atsimondrano ny polisy, saron’izy ireo, ny telo lahy nitaingina moto iray, ny alin’ny alatsinainy 7 septambra lasa teo. Nahatazan-davitra an’ireo mpitandro filaminana nanao ny asany, nandositra avy hatrany izy telo lahy. Nariany teo afovoan-dalana ny moto scooter marika Yamaha. Nanara-dia ny polisy […]

Lozam-pifamoivoizana eto an-drenivohitra: mila mitandrina amin’ny bisikileta sy ny moto

Voalazan’ny mpamily fa niala bisikileta no nahafatesana olona efatra, teny amin’ny tonelina Ambohidahy, afakomaly. Nifandona tamin’ny moto ihany koa ny bisikileta nipoitra tampoka teny Soavimasoandro. Mila mitandrina ny mpampiasa lalana. Nitondra ny heviny, tamin’ ny alalan’ny vadiny, ilay mpamily taxi-be tra-doza tetsy amin’ny tonelina Ambohi­dahy, afakomaly. « Niala bisikileta tampoka no […]

Naka an-keriny zaza varira: olona dimy niray tendro voasambotra

Tratry ny vela-pandrika na­taon’ny zandary tao Amba­ton­drazaka ireo naka an-keriny zazavavy varira 3 taona tany Vavatenina tamin’ny 5 septembra. Nokasain’ireo mpaka an-keriny hamidy izy. Misy fianakavian’ny renin’ilay zaza tamin’ireo olona dimy tompon’antoka tamin’ilay asa ratsy. Vehivavy ny telo ary lehilahy ny roa tamin’ireo voasaringotra. Namonjy alim-bavaka ny renin’ilay lasibatra. «Navelan’ny […]