Tranga

Tsimbazaza Andohamandry : Lehilahy tratra nangalatra Kaontera

Tratra teo am-pangalarana Kaontera an’ny Jirama tao an-tokantranon’olona, tetsy Tsimbazaza Andohamandry, ny lehilahy iray, omaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Nangina ny tanàna, niditra antsokosoko tao an-tokantranon’olona ity olon-dratsy ity. Nihevitra fa tsy hisy olona tao an-trano ka tsy nisalasala izy niditra. Tsikaritry ny renim-pianakaviana iray tao an-trano anefa ny nidirany […]

Tahotra ny tsy handova: Novonoin-janany ny rainy

Naiditra am-ponja, omaly, ireo telo lahy namono nahafaty raim-pianakaviana teny Ambohinambo Talatamaty. Atidoha nikotrika izany ny zanany lahy. Antony, valifaty sy tahotra ny tsy handova. Niakatra fampanoavana, omaly, ny tovolahy telo. Monina eny Ambohi­nambo Talatamaty izy ireo. Voarohirohy ho namono nahafaty ny raim-pianakaviana teny an-toerana ny faha-3 avrily 2025 lasa […]

Kaominina Mahitsy: Tokantrano valo nasesin’ny dahalo

Nisy naratra tamin’ireo tompon-trano lasibatry ny asan-dahalo tao Soavini­merina, kaominina Mahitsy, ny alin’ny alarobia 30 avrily teo. Andian’olona am-polony nirodorodo nanesy ny tokantrano nifanakaiky tao amin’io tanàna io sy ny manodidina. Nihevitra ireo mpandroba fa misy vola tao amin’ireo trano lasibatra ireo. “Dahalo mety ho manodidina ny 20 eo ho […]

Fiara telo nifandona tetsy By-Pass : Olona efatra niara-namoy ny ainy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tetsy amin’ny lalana hiditra ny kianja Elgeco plus by pass, ny alarobia tamin’ny 9 ora sy sasany alina teo. Olona efatra niara-namoy ny ainy tao anaty fiara Clio, voadona mafy. Fiara telo samihafa nifandona nandritra ny lo­zam-pifamoivoizana te­tsy akaikin’ny kianja Elgeco Plus By-Pass, afakomaly alina. Niavian’ny loza […]