Nitrangana haintrano goavana teny Soamanandrariny, ny alahady maraina teo. Levon’ny afo nandritra izany ny 250 tapitrisa Ar. Miantso vonjy ny fianakaviana lasibatra. «Folo taona nivadiana, nanomboka nanangona tsikelikely ary nihary ireo fananana ireo izahay mivady», hoy Rafinaritra, raim-pianakaviana tompon’ny trano lasibatry ny afo tao Soamanandrariny, ny alahady lasa teo. Namonjy […]
Tranga
Mpanao cash point voatafika: lehilahy iray voatifitra, 18 tapitrisa voaroba
Notafihan’ny jiolahy mitam-piadiana tetsy Ampefiloha Ambodirano, afakomaly, tokony ho tamin’ny 7 ora hariva, ny raim-pianakaviana iray, mpanao Cash point. Avy nanao ny asany mahazatra teny Andohatapenaka izy. Nanidy ny tsenany rehefa tamin’ny 6 ora sy 10 minitra hariva teo ho eo. Nandeha tongotra nihazo ny trano fonenany teny Ampefiloha Ambodirano […]
Niampita arabe tampoka: lehilahy iray maty voahitsaky ny kamiao
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, omaly maraina. Voahitsaky ny kamiaobe iray, tao anatin’ny kaominina ambanivohitra Ampasimbe, disitrikan’i Brickaville ny lehilahy iray. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandariamariam-pirenena, niampita arabe tampoka izy, tsy hitan’ny mpamilin’ilay fiarabe. Vokany, notetezin’ny kodiarana havian’ ny fiara ny lohan’ilay lehilahy. Sady vaky […]
Mirongatra ny fanafihana: polisy iray naratra voatifitry ny jiolahy teny Anosipatra
Jiolahy roa no nikasa hanafika teny amin’ny manodidina ny trano dimy Ampangabe, afakomaly hariva. Tonga ara-potoana nisoroka izany ny polisy roa lahy avy eny Ilanivato. Voatifitry ny jiolahy ny iray tamin’ireo polisy ka naratra mafy. Poa-basy miisa roa no henon’ny mponina teny amin’ny manodidina ny Trano dimy, fokontany Ampangabe, afakomaly, […]
40 lahy nanafika tanàna: dahalo telo lavon’ny bala
Nanapoaka basy, naorin’ny dahalo ny omby 70 tao amin’ ny tanàna Ampasimpotsy Ambatolahihazo, kaominina Maroharona, distrika Tsiroanomandidy, ny alin’ny alakamisy 3 septambra. Nirongo fitaovam-piadiana ny dahalo manodidina ny 40 lahy. Raiki-tahotra ny ankamaroan’ny zaza amam-behivavy tao an-tanàna. Nanara-dia nanampy ny mpitandro filaminana ny vatan-dehilahy. Nanao paikady manokana hanakanana ireo dahalo […]





