Tranga

Nangalatr’omby sy osy: Dahalo iray lavon’ny zandary

Lavon’ny balan’ny zandary tany amin’ny fokontany Ava­radrova, kaominina ambanivohitra Manombo Atsimo, ny dahalo raidahiny iray, omaly maraina tamin’ny 1 ora tany ho any. Malaza ratsy amin’ny fangalarana omby any an-toerana izy io raha ny fanazavana voaray. Nidiran’ny dahalo maro tao an-tanàna tamin’io fotoana io. Nangalarin’izy ireo nandritra izany, ny omby […]

Tafakatra 10 ny razana hita : Mihorohoro ny fiarahamonina

Hita faty omaly, teny Ambohimanambola, i Aina, tovolahy 22 taona, nanjavona dimy andro lasa izay. 10 ny razana hita hatramin’ny fiandohan’ny volana jolay. Miaina anaty horohoro ny fiarahamonina. Miantso vonjy, manaitra ny tomponandraikitra ny mpisintona lakolosy. Tafakatra 10 ireo olona hita faty izay nanaovan’ny fianakaviany ombay mitady teto Antananarivo sy […]

Praiminisitra RAJAONARISON Mamitiana : Nahafoy ny ainy ireo maherifo noho ny fitiavan-tanindrazana

«Tokony ho sahy hijoro hatrany isika hampiseho ny hambom-pom-pirenena. Mila sahy mijoro sy maneho fa manana tanjona iraisina isika ho mariky ny fitiavan-tanindrazana. Nahafoy ny ainy ireo ma­­herifo noho ny fitiavan-tanindrazana», hoy ny Praimi­nisitra (PM) lehiben’ny governemanta, Rajaonarison Mami­tiana, nandritra ny hetsi-pahatsiarovana ny faha-78 taona nitifirana ireo maherifo teny amin’ny […]

Lehilahy hatao hazalambo: norasarasainy tamin’ny antsy ny vadiny syny rafozany

Mpianaka niara-voarasa antsy ka namoy ny ainy ilay zanaka vavy, tao Sambava, omaly maraina. Hifampitadiavana ilay nanao habibiana. Norasarasaim-badiny tamin’ny antsy, namoy ny ainy ny vehivavy iray tao amin’ny fokontany Ambo­hitrakongona, Kaominina Sam­bava, omaly maraina. Nanam­paran’io lehilahy io ha­bibiana ny vadiny sy ny rafozam-baviny, tamin’ny 2 ora maraina. Niditra an-keriny […]