Tranga

Famonoana zaza varira : Teratany vahiny iray nalefa eny Tsiafahy

Nalefa eny Tsiafahy, afakomaly, ny teratany vahiny iray mpitrandraka vatosoa. Voarohirohy ho naniraka namono sy nanapa-doha zaza varira natao sorona izy. Voalaza ho antony ny fampiroboroboana ny asany. Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana ambarotonga voaloahany, etsy Anosy, afakomaly, ilay teratany vahiny. Tom­pon’antoka sy mpaniraka ireo olon-dratsy hamono sy hanapa-doha zazavavy […]

Dr Hortensia, namoahana ombay mitady: Hita faty tany anaty haram-bato tao Ranomafana

Iray andro taorian’ny tsy fahitana ny Dr Hortensia, tovovavy 27 taona, sy nanaovana ombay mitady azy tamin’ny tambajotran-tserasera, hita faty tao amin’ny Chute Andriama­mo­voka, ao amin’ny faritra Ra­nomafana, ny vatana mangatsiakany, omaly maraina. Latsa­ka tany anaty haram-bato lalina, ao Ranomafana, ny tenany ka nampanano sarotra ny fakan’ny vondrona mpamonjy voina […]

Natory tao amin’ny trano fandraisam-bahiny: Teratany frantsay maty irery tao an’efitra

Lehilahy lehibe, teratany frantsay, hita faty tao anaty efitrano tao amin’ny hotely fandraisam-bahiny iray any Ambodimanga Toa­masina, omaly. Raha ny fanazavana voaray, efa nipetraka sy naka efitrano tao amin’ity hotely ity ilay lehilahy, nanomboka ny volana mey lasa teo. Natory tao an’efitranony ity farany hatramin’ny maraina ary tsy nivoaka tao […]

Fikasana hanafika sy hanolana : Zandary efa-dahy nalefa eny Tsiafahy

Naiditra am-ponja eny Tsiafahy ny zandary efa-dahy sy sivily iray rehefa avy nohenoin’ny fampanoavana. Notorian’ny vehivavy iray monina eny Itaosy ho saika hanafika sy hanolana izy ireo. Voalazan’ny loharanom-baovao hafa anefa fa hitaky trosa no nalehan’izy ireo tany. Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ny zandary efa-dahy, afakomaly, rehefa avy nohenoin’ny […]

Lehilahy voasambotra : Namono ny vadiny sy nandratra ny rafozany

Voasambotry ny zandarimariam-pirenena tany Sambava, afakomaly alahady, ilay lehilahy 29 taona, tompon’antoka tamin’ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana ny vadiny sy nandratra ny rafozam-baviny tany an-toerana. Voa­sambotra ora vitsy taorian’ny nanaovany ny asa ratsiny izy, raha ny tatitra voaray hatrany. Taorian’ny fisamborana azy, napetraka sy natao andrimaso amin’ny toerana azo […]