Tranga

Fikasana hamono olona: Natsipiny avy eny an-davarangana ny reniny

Renim-pianakaviana torana tsy nahatsiaro tena niharan’ny vono nataon’ny zanany lahy tao amin’ny fokontany Antanetibe, kaominina Anjeva Gara, ny marain’ny alatsinainy 28 avrily teo. Nifamaly tamin’ny vadiny ilay lehilahy zanak’io ramatoa io, talohan’ny tranga. Nanaovan-dralehilahy teny mahery ny ramatoa vadiny. Tsy nahazaka izany anefa ilay renin’io lehilahy io amin’ny maha fon-dreny […]

Distrikan’Atsimondrano : Rava ny tambajotra mpangalatra kisoa

Efa-dahy niampy ramatoa iray voasambotry ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Andoharanofotsy, ny marainan’ny alatsinainy 28 avrily teo. Nitrangana halatra kisoa tao amin’ny fokontany Ambohidavenona, kaominina Ambalavao distrikan’Atsimondrano. Nolavahan’ireo olon-dratsy ny rindrina misy ny kisoa, nopoizinin’izy ireo avokoa ireo biby. Notanteriny tamin’ny gony torian’izany. Nahatsikaritra olona telo lahy niloloa gony nampiahiahy […]

Fasan’ny karana : Lehilahy iray namono tena, voahitsaky ny kamiao

Vaky sy niparitaka tamin’ny arabe ny atidohan’ilay lehilahy namono tena tao ambany kamiao, tetsy amin’ny Fasan’ny karana, omaly maraina. Hitan’ny olona nitomany izy talohan’ny nitsorahany tao ambanin’ilay fiara. Lehilahy iray tokony ho 40 taona namono tena, ni­tsoraka tao ambany kamiao semi-remorque, omaly tamin’ny 10 ora latsaka 10 minitra. Niseho tetsy […]

Tokantrano roa lasibatra : Roa lahy nitam-basy nandroba 1 450 000 Ar

Lelavola maherin’ny 1 ta­pitrisa lasan’ny jiolahy nitam-piadiana nandritra ny fanafihana tao amin’ny fokontany Besarety, kaominina Ampa­rafaravola, ny alin’ny 26 aprily teo. Olon-dratsy roa lahy nitondra basy niditra an-keriny tao amin’ny trano roa samy hafa, tamin’ny 11 ora sy sasany alina. Tsy nisy alaharo, nambanan’izy ireo fitaovam-piadiana ny tompon-trano. Nitaky ireo […]