Tranga

Olona iray votsotra teo an-tanan’ny mpaka an-keriny 3 tapitrisa Ar voaroba, jiolahy roa voatifitra

Votsotra teo am-pelantanan’ny olon-dratsy mpaka an-keriny, tany Antsahakely, kaominina ambanivohitra Soa­vina, distrikan’­Ambato­finan­drahana, faritra Amoron’i Mania, omaly maraina, ny olona iray. Avotra soaman­tsara nandritra ny fanaterana ny vola takalonaina io lasi­batra io. Ankoatra izay, maty voatifitry ny zandary, nandritra ny fifanjevoana ny roa lahy, olon-dratsy anisan’ny nanao ny fakana an-keriny. Mbola […]

Fonjan’Ambalatavoahangy: gadra telo lahy nandositra, maty voatifitra ny iray

Nandositra ny fonjan’Ambalatavoahangy, Toamasina, omaly, ny gadra telo. Natao ny fanenjehan’ny mpitandro filaminana sy ny avy amin’ny tomponandraikitry ny fonja. Azo sambo-belona ny iray ary maty voatifitra ny iray. Mbola karohina ny fanintelony. Maty voatifitra ny iray raha toa ka azo sambo-belona ny iray hafa tamin’ireo gadra telo nandositra tao […]

Telo lahy navadiky ny lakana: namoy ny ainy ny iray

Hita omaly atoandro, tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro, tao amin’ny ranon’Alaotra, distrikan’Ambatondrazaka, faritra Alaotra Mangoro, ny vatana mangatsiakan’ny tovolahy iray manodidina ny 20 taona. Nandeha lakana niaraka tamin’ny tovolahy miisa roa izy ny harivan’ny alarobia 2 septambra, tokony ho tamin’ny 7 ora teo. Nandeha lakana avy ao Androm­ba ary […]

Roa lahy voasambotra: nikasa hivarotra voamason’olona teo 67 Ha Atsimo

Tonga hatraty an-dRenivohitra ny mpivarotra voamaso. Tra-tehaky ny polisy teny 67 Ha Atsimo ny roa lahy, afakomaly. Voamarina fa voamason-jaza varira izany. Sarona teny amin’ny lehilahy miisa roa, tetsy 67 Ha Atsimo, afakomaly, ny voamaso miisa roa. Na­laina avy amin’ny zaza varira izany, araka ny angom-baovao voarain’ny polisim-pirenena. Avy amin’ny […]