Lehilahy iray mpamily fiara karetsaka no niharan’ny vono sy nokasaina halaina an-keriny tetsy Ambohimanambola, ny atoandron’ny alarobia tamin’ny 2 ora tany ho any. Nosakanan’ny lehilahy miisa roa teny Ambohimanambola izy. Nilaza ho aterina eny amin’ny Batou-beach izy ireo. Nokendain’izy roa lahy ireto anefa ilay mpamily rehefa tonga teny amin’ny toerana […]
Tranga
Olona Nitokona teny Tsarasaotra : Nitorajofo ny baomba mandatsa-dranomaso
Nirefotra indray ny baomba mandatsa-dranomaso teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra, omaly, nandritra ny fihetsiketsehana nataon’ireo andian’olona nanakan-dalana… Raikitra indray ny fanakanan-dalana tamin’ny alalan’ny fandorana kodiarana nataon’ireo andian’olona marobe teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra mankany Ivato, omaly maraina tokony ho tamin’ny 8 ora sy 30 mn. Anton’izany, tohin’ilay lozam-pifamoivoizana nitranga teny an-toerana, ny […]
Ambalakisoa Toamasina: Jiolahy telo maty voatifitry ny polisy
Nirefodrefotra indray ny basy tao amin’ny fokontany Ambalakisoa, Toamasina, omaly alina. Nahatsikaritra zatovo maromaro, miisa enina, mirongo fitaovam-piadiana ny fokonolona any an-toerana. Nampandrenesina avy hatrany ny polisy sy ny zandary taorian’izay. Nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao fanaraha-maso ireto farany vantany vao nahazo antso. Tratra ireo jiolahy ary raikitra […]
Olana tsy mazava : Lehilahy iray maty nananton-tena tamin’ny taribia
Lehilahy iray 24 taona, maty nananton-tena tamin’ny taribia tao anaty tranon’akohon’ny mpampiasa azy, tetsy Ambohidray, fokontany Andranovelona, kaominina Ambanivohitra Fihaonana, distrikan’Ankazobe, omaly maraina tamin’ny 8 ora sy 20 minitra. Faty nihantona teo afovoan-trano no hitan’ny mpiasa sy ny mpampiasa azy rehefa novahana maraina ny trano. Nampandre ny Zandarimaria avy ao […]
Voalaza fa tsy salama saina : Lehilahy iray hita faty, may, tetsy Tsimbazaza
Hita faty, may tao anaty kirihitra bararata etsy Tsimbazaza, ny lehilahy iray tokony ho 40 taona. May ny vatany sy ny masony. Olona tsy dia salama saina loatra sady mpirenireny eny Anosy sy ny manodidina izy io, raha ny fanazavana voaray. Lehilahy iray manodidina ny 40 taona hita faty, may, […]




