Tranga

Fanapohana solika : olona 24 nahatrarana solika 761 410 litatra

Nahatrarana lasantsy 750 000 litatra niampy gazola 11 410 litatra, olona 24 natao famotorana teny amin’ny sampam-pikarohana heloka bevava Fiadanana, ary natolotra ny fampanoavana omaly. Naha­ray fitarainana tamin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo fa misy tambajotra mpanapoka solika sy mivarotra izany antsokosoko ao Toa­masina. Nidina ifotony tamin’ny toerana voatondro ny zandarimaria. Trano […]

Nakorontana ireo razana : fasana efatra novakian’ny jiolahy

Razana miisa telo vao nalevina tsy ela no hany sisa tsy nosavoritahan’ny jiolahy tao Bemananony, fokontany Ampangabe, kaominina Ambalavao, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, afakomaly. Olon-tsotra handeha ho any an-tsaha vao maraina no nahatsikaritra fasana nisokatra. Taitra, nampandre ny manodidina izy. Nojerena ny fasana kinanjo efa niparitaka avokoa ny razana. Nozahan’ny mponina koa […]

Mihantsy Polisy sy zandary: jiolahy fito maty voatifitra

Samy tsy nitsitsy ! Mihantsy polisy sy zandary ny jiolahy. Vokany, maty voatifitry ny mpitandro filaminana tao anatin’ny indray alina ny olon-dratsy miisa fito. Samy nitrangana fanafihan-jiolahy mahery vai­ka avokoa tao an-tampon-tanànan’i Toamasina I sy Toamasina Suburbaine, distrikan’i Toamasina II, afakomaly sy omaly. Ho an’ny tao Toamasina tampon-tanàna, tao amin’ny fokontany […]

Dahalo : maty voatifitry ny zandary i Noromanga

Lavon’ny balan’ny zandary, nandritra ny fifandonana, ny dahalo raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe i Noroman­ga, tao Andramasina, ny faran’ny herinandro teo. Nahazo loharanom-baovao momba ity dahalo ity ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Behenjy fa mihaodihaody ao Bemasoandro, kaominina ambanivohitr’i Behenjy, distrikan’ Ambatolampy, izy tamin’io fotoana io. Nanao vela-pandrika ny […]

Vehivavy nidoboka am-ponja : olona fito voasoloky 21 tapitrisa Ariary

Vehivavy iray anatin’ny tambajotra misandoka ho mpandefa mpiasa any Ca­nada, naiditra am-ponja ny 18 oktobra lasa teo. “Tao amin’ny tambajotran-tserasera facebook no nahalalako io rangahy io, ny 17 desambra 2023”, hoy ny fanazavan’ny renim-pianakaviana iray lasibatra. Resy lahatra tamin’ny fampanantenana nomena azy io ramatoa io fa afaka hi­asa any ivelany […]