Tranga

Mahitsy: tovolahy nanolan-jaza voasambotra

Voasambotry ny zandarimaria ny lehilahy iray nampihatra herisetra tamin’ny zazavavy 9 taona, tao amin’ny fokontany Andranovelona, kao­minina Mahitsy, distri­kan’Ambohidratrimo, omaly maraina. Nirahin’ny ray aman-dreniny ity zazavavy 9 taona ity. Nitondra vola 2 000 Ar sy harona. Nifanena tamin’ny lehilahy iray mpiambina tanàna, voarebireby ilay zazavavy. Nentin’io mpiambina io niditra ny tanàna […]

Famadihana nivadika ho fisaonana: tovovavy roa niara-maty, voatifitry ny zandary tsy nahy

Maty voatifitry ny zandary tsy nahy nandritra ny famadihana ny tovovavy roa, ny alatsinainy alina lasa teo. Nisy olana ny basim-borona napoaka hanomezam-boninahitra ny razana ka nitera-doza tao Ambalavato Vohitromby. Tratry ny tampoka sy tsy nahy! Nivadika ho loza ny poa-basy saika hanamarihana lanonam-pamadi­hana iray tao Ambalavato, fokontany Vohitromby, kaominina […]

Vono olona tao Toamasina: efa-dahy voasambotry ny zandary

Voasambotry ny zandary miasa eo anivon’ny sampam-pikarohana misahana ny heloka bevava ao Toamasina, afakomaly, ireo efa-dahy namono olona tao Tsarahonenana. Nitrangana vonoan’olona tao amin’ny toeram-pisotroana iray anatin’io fokontany io, ny alahady 23 aogositra lasa teo, raha tsiahivina. Nifamaly tao anatin’ny toeram-pisotroana ny lehilahy maromaro izay voalaza fa samy te hampiasa […]

Jeneraly RAVALOMANANA RICHARD: nomelohina 10 taona asa an-terivozona

Migadra 10 taona, asa an-terivozona, ny Jly Ravalomanana Richard, araka ny didim-pitsarana nivoaka omaly. Tsy afa-po ny voampanga, nampiakatra fitsarana ambony ny mpisolovava azy. Baomba be! Voasazy hiasa an-terivozona an-tranomaizina mandritra ny 10 taona ny filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha, ny Jly Ravalomanana Richard. Niakatra teny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, […]