Tranga

Naratra mafy teo amin’ny lohany: Lehilahy hita faty tetsy Andohatapenaka

Lehilahy iray 29 taona, efa tsy nisy aina intsony, hitan’ny mpanokatra paompy hiasa maraina, tetsy Andohatapena­ka I, afakomaly. Nitsirara tamin’ny tany, tao anaty haizina, lehilahy nanaovan’ny anabaviny ombay mitady tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera sy teny anivon’ny manam-pahefana io namoy ny ainy io. Niala ny trano fonenany ny marain’ny alatsinainy 13 jolay […]

Nahasafotra ankizivavy: Mpivarotra ranomanitra hadihadian’ny polisy

Raim-pianakaviana iray mpivarotra ranomanitra mandehandeha voarohirohy ho nikasa hangalatra ankizy 14 taona tany Toamasina. Nitsangantsangana teny amoron-dranomasina ny ankizivavy roa, ny tolakandron’ny alatsinainy 13 jolay teo. Nanatona azy ireo ny lehilahy izay nivarotra ranomanitra. Navoakany avy anaty kitapony ilay ranomanitra ary nasainy norohan’izy mirahavavy. Safotra anefa ny iray tamin’izy ireo […]

Fiara fitateram-bahoaka nivadika : taxi-be roa nifanenjika, mpandeha enina naratra

Vokatry ny fisetrasetran-dRabetarehy, mpamily taxi-be sy ny saofera iray teny Mahitsy, mpandeha enina naratra, omaly. Nifanenjika izy ireo ka nivadika ny fiara iray. Tsy nisy ny aina nafoy. Zaza telo taona sy olon-dehibe miisa roa naratra mafy nandritra ny lozam-pifamoivoizana niseho teny amin’ny RN4, PK28+500 Anton­go­bato, kaominina Mahitsy, distrikan’Ambohidra­trimo, omaly […]

Nilaza mahafaka BEPC : Vehivavy iray nalefa any Antanimora

Natolotra ny fampanoavana, afakomaly, ilay vehivavy 31 taona, nisandoka sy nilaza ho mahafaka fanadinana BEPC tetsy amin’ny CEG Anosibe. Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Anta­ni­mora ny tenany, taorian’izay. Naharenesana fitarainana mahakasika ny filazana sy fisandohana fa mahafaka fanadinana BEPC ny tenany. Tonga teny anivon’ny biraon’ ny Kaomisaria boriborintany fahefatra etsy Mahamasina, […]