Tranga

Namaky biraon’ny kaominina: Roa lahy nandroba 1 tapitrisa Ar naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana, ny sabotsy 26 avrily teo, notanana vonjimaika any am-ponja ireo roa lahy namaky ny biraon’ny kaominina Ambatolaona. Novakian’izy ireo ny fitehirizam-bola ka lasa ny 1 tapitrisa Ar. Roa lahy nohazonina vonjimaika any am-ponja, ny sabotsy 26 avrily teo, miandry ny fotoam-pitsarana azy. Nandray anjara mivantana tamin’ny famakiana ny […]

Tsaramandroso Ambany: Jiolahy raindahiny lavon’ny balan’ny polisy

Lavon’ny balan’ny polisim-pirenena avy amin’ny Unité d’intervention rapide (UIR) kaomisiaria foibe any Mahajanga, omaly tamin’ny 1 ora maraina, ny jiolahy iray raindahiny. Nirefodrefotra ny basy teny amin’ny manodidina. Nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily ity olon-dratsy voatafitra ity. Avy nanao fanafihana hafa tany Mahavoky Atsimo izy io no nifanehitra […]

Olana tamin’ny karama: notsindromin’ilay tovovavy antsy ny mpampiasa azy

Notanana vonjimaika am-ponja any Antsiranana, omaly, ilay tovovavy 19 taona, mpiasa an-trano, rehefa nalaina am-bavany teny anivon’ny fitsarana omaly ihany. Nahavita nanindron’antsy ka nahafaty ny mpampiasa azy (renim-pianakaviana 52 taona) tany Sengaloka Ambilobe, ny harivan’ny 14 avrily lasa teo. Tonga nilaza ny fahafatesan’ity mpampiasa azy izy ora vitsy taorian’ny tranga. […]

Kaominina Fenoarivo : Tratra ireo dimy lahy nanendaka mpivady

Voasambotry ny zandary ireo dimy lahy nandroba mpivady teny amin’ny fokontany Ampefiloha, kaominina Feno­arivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, ny alarobia 23 avrily teo. Niandry kendry tohana ireo mpody hariva teny amin’ny sampanan’i Malaza ireo dimy lahy. Nifanena tamin’ ny mpivady izy ireo. Notazo­min’izy dimy lahy avy hatrany ny raim-pianakaviana. Nan­dositra niampita ny […]